Politique

Tsivŕka Raharison Sylvien “Fitoniana aloha vao fifidianana...”


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

Tsy ho tratra ny daty notondroin’ny vondrona iraisam-pirenena, ny 29 febroary izay daty farany tokony hahavitan’ny lalŕnan’ny amnistia raha izao no fandehany, hoy ny filoha lefitr’i Antsiranana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Tsivŕka Raharison Sylvien.

 Mbola ny resaka lalam-pifidianana hatrany mantsy no dinihina sy laniana ao amin’ny Parlementa hatramin’ity fivoriana tsy ara-potoana fahatelo ity. Fifidianana izay tsy mbola mahamaika akory. Zavatra roa ihany mantsy, hoy izy, no tena andraikitry ny tetezamita dia ny fametrahana ny fitoniana sy ny fikarakarana ny fifidianana. Aminy, dia ny fitoniana aloha no tokony handeha aloha satria io no hahafahana mamaritra tsara izany lalam-pifidianana izany. Rehefa miresaka fitoniana izay, hoy hatrany ny CT Tsivàka Raharison, dia tafiditra ao ny resaka CFM sy ny famotsoran-keloka. Ireo resaka sy raharaha izay tena tokony hodinihana mialoha mihitsy mba hisian’ny filaminana amin’ny fandinihana ny lalàna hafa rehetra. Tsy nanadino nampahery ireo niharam-boina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo ity filoha lefitra eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Antsiranana ity.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT