Mahantra amin’ny ankapobeny ny firenena afrikanina. Matetika dia resaka ady sy fanonganam-panjakana no miseho ary mahatonga izany fahantrana izany. Tsy miala amin’izany olana izany koa nefa i Madagasikara. Aiza ny andraikitry ny mpitandro ny filaminana manoloana izany ? Inona no andrasan’ny vahoaka Malagasy amin’izy ireny satria dia mpiasam-bahoaka izy ireny ?
Politika
Tsy takona afenina fa ny tafika sy ny politika dia tsy misaraka eto Afrika sy eto Madagasikara. Raha niseho ireny olana rehetra nanomboka tamin’ny 1972 ka hatramin’ny 2009 ireny, dia mazava fa nanana andraikitra lehibe ireo tafika, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny antony nahatongavan’ireny olona maro ireny teny am-bava-basy. Tsy andraikitry ny mpitandro ny filaminana ve ny nanohana azy ireny dieny tsy mbola tonga teny Iavoloha na Ambohitsorohitra ?
Raha ampatsiahivina kosa ny nianjeran’ny fanjakana tamin’ny 2009, dia samy nahatsiaro fa dia nilaozan’ny tafika irery tao ilay filoha faratampon’ny foloalindahy. Hany herin’ity farany dia tsy maintsy nitsoaka nanavotra ny ainy. Aiza ilay teny filamatra hoe «Tanindrazana sy Lalàna» ? Koa angaha moa tsy ara-dalàna ny fiarovana ny filoham-pirenena ? Sa nisy hevitra ara-politika sy tombontsoa manokana nanintonana ny sain’ny miaramila ? Vao tonga nipetraka tokoa mantsy ny tetezamita, dia nanjary ny miaramila ihany no mitantana ny volany. Tsy nandalo fanaraha-maso intsony izany ny fandaniana, fa tonga dia ry zareo no mandidy sy manapaka izay tiany atao amin’ny tetibolany. Marihina fa fomba fitantanana baranahiny tanteraka izany ary efa nanambara ny Banky Iraisam-pirenena tamin’izany fa manome vahana tanteraka amin’ny halatra izany fitantanana tsy misy fanaraha-maso izany. Mahalala ny besinimaro ankehitriny ny fahantrana mangitsokitsoka naterak’iny korontana 2009 iny. Manaporofo izany ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, izay miteny fa 6,3 miliara dolara no very tamintsika nanomboka ny 2009 ka hatramin’ny 2012 fotsiny.
Raha ny tranga niseho vao tsy ela akory ihany koa dia nahitana mibaribary fa idiran’ny politika ilay fanapahan-kevitra, izay notapahin’ireo lohandohan’ny tafika tamin’izany fotoana nanambara fa tsy mbola mahazo miverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Inona moa no tokony hidiran’ny tafika amin’ny fodiana na tsia momba ny olona iray ? Iaraha-mahalala anefa fa ilain’ny firenentsika ny fifamelana marina amin’ny samy mpanao politika mba tsy hiverimberenan’ny krizy intsony.
Fandriampahalemana sy fiainana andavanandro
Etsy an-daniny kosa, raha mijery ny fiainana andavanandro isika, dia mahita avokoa fa mirongatra ankehitriny ny tsy fandriampahalemana. Vono olona sy vaky trano ary asan-dahalo no manerana ny fampitam-baovao eto an-toerana na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Aiza ny mpitandro ny filaminana manoloana ireny ? Raha ny eto an-drenivohitra, ohatra, dia saika isan’andro no miseho izany asa ratsy izany. Ny fanendahana an-dalambe manginy fotsiny. Dia tsy azo vinavinaina mihitsy ve ny mba hanaovana vela-pandrika an’ireo mpanao sinto-mahery etsy Anosibe sy Isotry ohatra ? Dia aiza ilay fitenenana hoe : «Hiaro ny vahoaka sy ny Fananany». Vahoaka iza ? Ireo saika handroba tamin’ny 07 febroary 2009 sy efa nandroba tamin’ny 26 janoary 2009 ve sa ireo vahoaka mpanara-dalàna no tokony harovana ? Toa mifanohitra tanteraka ny zava-misy ankehitriny. Ireo vahoaka misasatra miasa indray no toa mahazo ny fanorana amin’ireo mpitandro ny filaminana rehefa mijery irony taksibe sy taksiborosy sy mpitatitra sakanana eny an-dalana irony isika. Dia hanakarama an’ireo mpitandro ny filaminana ve isika hangalany ny volantsika ? Sa hiarovany antsika amin’ireo mpangalatra na fahefana io na fananana ?
Tokony hotsaroan’ny tsirairay mandrakariva fa mpiasam-bahoaka ireny mpitandro ny filaminana ireny. Zontsika ary adidiny ny manampy antsika vahoaka fa tsy hampatahotra antsika sanatria. Tsy tokony hiseho intsony ireny tranga mahamenatra niseho teny Itaosy, herinandro vitsy izay, raha nisy nanafika tao an-tokantranony ny fianakaviana iray ka niantso vonjy tamin’ny mpitandro ny filaminana ireto niharan-doza. Ny valiny azo mantsy dia hoe «Tsy afa-mihetsika izahay raha tsy aloanao ny solika».
Tokony ho eo ambany lalàna avokoa ny Malagasy rehetra, na mpitandro ny filaminana na tsia. Tokony halalahana ny sehatra ahafahan’ny tsirairay mba mametraka fitarainany momba ny hadisoana ataon’izy ireny fa tsy ramatahora foana no averimberina. Izany dia mba tsy hisian’ny didin’ny bebaoty eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.