Politique

Tsirin-kevitra Tia Tanindrazana Ahoana ny hampanam-bola ny Malagasy ?


  • Zoma 13 Jona 2014

Maro dia maro ny fampanantenana mivoaka raha vao mipetraka tahak’izao ny fitondrana iray. Ny fanontaniana mipetraka amin’ny tsirairay dia ny hoe «Tena hanatanteraka ny fampanantenany marina ve ny mpitondra ?» ary koa «Ahoana no ahafantarana fa mandeha mankany amin’izany fanatsarana ny fari-piainan’ny tsirairay izany ny fanjakana ?».

Inona no atao hoe manam-bola ny Malagasy ?

Tsy hoe mitovy fari-piainana amin’ny Amerikanina na Japoney isika vao afaka miteny fa manam-bola. Na izany aza nefa dia misy farafahakeliny tsy maintsy eo am-pelatanana ihany koa. Tsy tokony hanana ilay toe-tsaina zara fa velona isika, izany hoe tokony hanana ambiny ankoatra ny lany andavanandro. Ny voalohany dia ny fahafahana miaina andavanandro, dia ny sakafo sy ny saran-dalana ahafahana miasa. Ny faharoa dia ny tahiry ahafahana mamonjy ny tampoka raha sanatria ka misy marary ao amin’ny fianakaviana. Ny fahatelo dia ny ambim-bava ahafahana mitsinjo ny hoavy tahaka ny trano fonenana na fiarakodia na fianaran’ireo ankizy any aoriana. Ny ankamaroan’ny firenena any ivelany tahaka ny eoropeanina sy aziatika dia mahatontosa azy ireo. Eto amintsika kosa nefa dia zara fa vita ny teboka voalohany satria ny 93%-n’ny Malagasy dia tsy ampy sakafo akory, ary 65% ihany koa no voalaza fa tsy manana anton’asa mazava. Ahoana tokoa ary moa no ahafahana mamelona ny fianakaviana raha toa ka tsy miasa akory ny ao an-tokantrano ?

 

Ny anjaran’ny fanjakana

Mazava ho azy fa tompon’andraikitra voalohany amin’izany tsy fiasana sy fahantran’ny Malagasy izany ny fanjakana. Tokony hiezaka arak’izay azo atao ny mpitondra hamorona asa ho an’ny vahoaka. Amin’izao fotoan-tsarotra lalovantsika izao dia ny vola azo avy amin’ny fanampiana avy any ivelany no tena hiteraka ny asa eto an-toerana. Izany no tontosa satria ireo fotodrafitrasa foronina amin’ny fanampiana ireny na lalana na sekoly dia miteraka asa avokoa, indrindra fa any ambanivohitra satria ny eo an-tanàna ihany no mazàna miasa mamboatra ireny fotodrafitrasa ireny. Rehefa manomboka mandroso kosa isika ka hihena ny fanampiana avy ivelany, dia tsy misy afa-tsy ireo orinasa miasa sy monina eto amintsika no hamorona ireo asa ireo. Noho izany, dia mila omanina dieny izao ireo tanora Malagasy hiatrika izany famoron’asa izany. Ny fampianarana izany amin’izay fotoana izay dia tokony hiompana indrindra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka mivantana. Ary indrindra koa, tokony hijery ireo asa mety eto amin’ny firenentsika, tahaka ny fambolena sy fiompiana ary ny harena ankibon’ny tany ohatra.

 

Tokony hiezaka ny fanjakana hamboly ny fitiavan-tanindrazana amin’ny vahoaka Malagasy

 

Iza amintsika tokoa no tsy mahalala fa tsy nisy fampianarana momba ny solika izany teto amintsika nefa hay isika manana solika ? Dia inona izany no asa mety hifanandrify amin’ireo diplaoma vokarina ankehitriny raha fantatra fa ny solika sy ny fambolena ary ny fiompiana no tena zava-dehibe ankehitriny ?

Tokony hiezaka ihany koa ny fanjakana hamboly ny fitiavan-tanindrazana amin’ny vahoaka Malagasy. Mila ahena araka izay azo atao mantsy amin’izao fotoana izao ny fanafarana ireo entana izay heverina fa vita sy vokarina eto amintsika. Tahaka ny vary sy menaka ohatra. Izany dia mba ahafahana mamelona hatrany ireo vahoaka miasa amin’ireny sehatra ireny. Rehefa tonga amin’izay fahampiana izay isika dia azo atao ny maminavina ny fanondranana amin’ireo Nosy sy firenena manodidina. Amin’izay fotoana izay dia hiakatra ny vidin’ny hivarotantsika ireo vokatra ireo satria efa lafo dia lafo ny fiainana amin’ireo firenena manodidina antsika, raha tsy hiteny afa tsy ny atsy amin’ny nosy Maorisy sy atsy Afrika Atsimo ohatra. Noho izany dia tokony hampiasaina ireo haino aman-jerim-panjakana ahafahana manabe ny besinimaro amin’ny fanjifana Malagasy hahafahantsika manome asa ny mpiray tanindrazana amintsika, izay ho mpanjifa ihany koa ireo vokatra vokarintsika.

Farany, ary tsy azo adinoina dia ny andraikitry ny fanjakana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny aretina. Ahoana tokoa moa no hampazoto ny olona hiasa nefa ny fanafihan’ny jiolahy manerana ny tanàna ? Na koa hoe marary sy kely aina ny ankamaroantsika ?

 

Ny anjaran’ny vahoaka

Na eo ary anefa ireo andraikitra mavesatra miandry ny fanjakana, dia tsy azo adinoina ihany koa fa misy ezaka avy amintsika vahoaka ny ahafahana mandroso. Ny voalohany dia ny FINIAVANA. Tokony hazava tsara amin’ny tsirairay fa mila hiadivana ny fahantrana, ary manana ny tombony rehetra isika Malagasy raha manana izany finiavana handresy izany. Maro amin’ny olona mantsy no efa kivy na koa manantena tolo-tanana foana na miandry ny vintana sy ny anjara amin’ny fiainany fa tsy mihevitra ny hiezaka intsony, hany ka lasa malaina ny hiasa na dia misy ary izany tolotr’asa izany. 

Etsy an-daniny ihany koa nefa, dia adidintsika ray aman-dreny ny mandefa ny ankizy handrato fahalalana. Any am-pianarana tokoa mantsy dia efa fanazaran-tena amin’ny ady amin’ny hakamoana rehefa hiasa. Mora kokoa amin’ny olona zatra nianatra ny mamolaka ny tenany handeha hiasa. Ary any am-pianarana ihany koa no sehatra ahafahany mianatra ny mety ho asany izay ho foto-pivelomany any aoriana.

 

Eto am-pamaranana, dia mety mahatsapa isika fa betsaka loatra ireo ezaka mila atrehina, ary mety tsy ho tontosa izany. Anjarantsika sy safidintsika nefa no hanapa-kevitra ny hanomboka ny ady amin’ny fahantrana. Rehefa ao anatintsika Malagasy izany, dia fotoana fohy, mety am-bolana vitsy, dia handroso ny firenentsika. Izany no tanteraka dia satria manana harena maro be ny firenentsika, eny fa na dia ny tany izay midadasika tokoa ary, azontsika hanaovana fambolena sy fiompiana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT