Nampifantarina tamin` ny herinandro lasa teo tany Mahajanga ny HCDED, ny filan-kevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna.
Ho fampahafantarana ity andrim-panjakana ity dia maro ireo famelabelarana sy fampiratiana nandritra ny roa andro. Nisy ihany koa ny fihainoana sy fandraisana fitarainana avy amin` ireo mponina. Naharaisana fitarainana manodidina ny 100 mahery. Olona voan` ny tsindry hazo lena eny anivon`ny fiarahamonina sy eny anivon` ny fitsarana no nitondra fitarainana tao amin`ny lapan` ny tanànan`i Mahajanga. Ny olan` ny ady tany moa no tena nandraisana fitarainana maro. Nilaza moa i Pierre Lenoble Navony, filohan`ny HCDED fa io ady tany io dia manerana ny nosy. Maro ireo tany tsy manana titra na dia manana titra aza fa dia misy mibodo. Nisy koa ny fitsidihana ny hopitalibe tany Androva sy ny fonja hijerena momba ny zon`ny olombelona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.