Politique

Tsimbazaza Nifandray vozon’akanjo ny samy Escopol


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Lasa ringa ilay Lapan’ny demokrasia eny Tsimbazaza. Niafara tamin’ny fifandraisana vozon’akanjo mba hilazana fa rafitra totohondry toy ny mpiady an-tsena ireo mpikambana ao amin’ny Escopol omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro raha toa ka tonga hifampidinika.

 Tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza no nisehoan’ity tantara ity. Raha noroahina ireo mpikambana sasany tao amin’ity vondrona iray ity afak’omaly tao amin’ny hotely Louvre Antaninarenina dia ity indray izany no niseho. Noroahina izy ireo satria nihevitra ny hahatafaverina an-dRavalomanana eto an-tanindrazana, hono (?). Omaly talata maraina aloha dia efa noroahina tsy navela nanatrika sy niandry izay fanapahan-kevitra tamin’ny fivorian’izy ireo ny mpanao gazety, kanjo fahafaham-baraka no niafarany satria rafitra ny ady noho ny fitiavan-tseza diso tafahoatra. Araka ny fanazavan’i Pierre Andrianantenaina dia karazana fandrindrana no napetraka ny maraina, izay nanendrena ireo solontena hiresaka sy hifampidinika amin’ny Ankolafy telo.

Tao koa anefa ireo mpikambana sasany tao amin’ny Escopol nikasa ny hanonona ny anaran’ireo CT sy CST niisa 13 izay voalaza fa nividy toerana. “Havan’ny sasany sy rahalahin’ny sasany”, hoy Rasamizafy Cyril. Araka ny fanazavan’i Pierre Randrianantenaina ihany dia nanapa-kevitra izy ireo fa izay mitondra teny rehetra dia tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny mpandrindra aloha. Hentitra, hoy izy, manomboka izao ny fitantanana ny Escopol. Tsy hita soritra intsony ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny firenena raha ity tranga tao Tsimbazaza ity no dinihina fa efa samy mitady izay hahasoa ny tenany avy ny tsirairay.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT