Politique

Tsimbazaza Niaka-dapa ny Hafari sy ny Reny Miray Hina


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Nifanotona teny Tsimbazaza ka tafaka-dapa ny solontenan’ny vovonana fiarahamonina sivily Hafari Malagasy sy ny Vondrom-behivavy notarihan’ny fikambanana Reny Miray Hina.

 Iry voalohany dia nanatitra taratasy ho an’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ireo solombavambahoaka, mirakitra fangatahana fanavaozana lalàna momba ny fananan-tany eto amintsika fa dia efa lany andro loatra ny misy ankehitriny ka mahatonga izao disadisa tsy mety mijanona eto amin’ny firenena izao. Tena fadiranovana ny vahoaka ankehitriny, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, ka angatahana ny hanokafan’ny depiote fanadihadiana. Ireo Reny Miray Hina kosa dia mitaky ny hijeren’ireo depiote ny maharary ny vahoaka. Raiso ny andraikitrareo fa izany no nifidianana anareo ! Efa nataonay daholo ireo fangatahanareo ireo, hoy ny depioten’ny Boriborintany faha-4, Rahasimanana Paul Bert (Rossy), nisolotena ireo depiote namany nandray ireto vahiny ireto tao Tsimbazaza, nefa dia voarabiraby sy voaenjika izahay. Nambarany fa hanomboka amin’ny herinandro ho avy io ny “enquête parlementaire” mahakasika ny fahazoan’ireo vahiny tany eto amintsika ary depiote miisa 56 no efa nanao sonia izany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT