Nandefasan’ny Sekretera jeneralin’ny Antenimieram-pirenena fiantsoana amin’ny alalan’ny soratra maro sosona (SMS) ireo
Solombavambahoaka ny sabotsy teo milaza fa « Noho ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia iangaviana ny Solombavambahoaka rehetra ho tonga aty amin’ny lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza amin’ny fomba haingana dia haingana mialoha ny Alatsinainy 11 aprily 2016 amin’ny 10ora maraina. Zava-dehibe no hodinihina ». Loharanom-baovao hafa no andrenesana fa ny fanolorana anarana hotendrena ho praiminisitra no anton’ity fampiantsoana ity. Omaly alahady anefa no efa tonga teny Iavoloha nanolotra lisitra olona maromaro hisafidianana izay ho praiminisitra ny delegasiona parlemantera notarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.