Politique

Tsimbazaza Hita ny vahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 20 Mey 2014

Nolanian’ireo depiote 102 tamin’ny 106 tonga niatrika fivoriana omaly alatsinainy 19 mey ilay tolo-pehin-kevitra mikasika ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy novolavolain’ny kômity manokana natsangana handinika izany.

 Teo anatrehan’ireo minisitra voakasiky ny raharaha mivantana na ankolaka miisa 9 be izao izay nafaran-dry zareo manokana hiaraka handinika ity tolo-pehin-kevitra ity ary notarihan’ny minisi-panjakana misahana fotodrafitrasa sy fampitaovana ary ny fanajariana ny tany, Rakotovao Rivo. Ity farany moa dia nanamarika fa betsaka no azo tanterahina avy hatrany fa ny tena maika aloha izao dia ny fiatrehana ny raharaha any Amboasary Atsimo any hisian’ny fifandrafian’ny samy tanàna ka mahabe ny mpitsoam-ponena any an-toerana. Efa milamina ny tany any raha ny nambaran’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria noho ny fisian’ny zandary 80 lahy ao Amboasary ary 20 fiandry mitoby any Tsivory.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT