Tsimbazaza

> Nifanasa vangy ireo samy FAT


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013

Niakatrakatra ny feo teo amin’ny solontenan’ireo vondrona parlemantera nifampitaona nivory tao amin’ny Cafétaria Tsimbazaza omaly alarobia 30 oktobra.

Fivoriana izay teo ambany fitarihan’ny mpikambana Tgv vitsivitsy sy ireo MCT avy amin’ny Phat izy ity raha ny tena marina ka niantsoan-dry zareo ny solontenan’ny vondrona Arema, Escopol, HPM, Les AS, MDM, Notables sy UDR-C. Resaka famondronana hery hanohanana kandidà iombonana amin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena no votoatin’ny dinika, araka ny fantatra. Re anefa fa nisy tsy nahatsindry fo ireo nahatsiaro fa voailikilika teo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tamin’ny fanohanana kandidà tamin’ireny fihodinana voalohany ireny ka nahaloa-bava fa : “hay ve hitady anay ihany rehefa halohalika ny ranombary ?”. Hotohizana amin’ny talata izao indray ny dinidinik’izy mianakavy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT