Politique

Tsilavina Ralaindimby Fiarahamonina tan-dalŕna no fototra


  • Zoma 04 Jolay 2014

Mitana anjara toerana lehibe sy goavana eo amin’ny fiainam-pirenena ny asa fanaovan-gazety sy ny fampahalalam-baovao. Io tontolon’ny serasera io indray no hasongadintsika amin’ity indray mitoraka ity. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana haneho ny heviny anio i Tsilavina Ralaindimby, manana ny maha izy azy eo amin’ity sehatry ny serasera ity. Resadresaka. ....

Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fijerinao ny tontolon’ny fikirakiram-baovao Malagasy ?

Tsilavina Ralaindimby (TR) : Ny azoko antoka aloha dia miova izy satria ilay tontolo miova. Ny mpikarakara sy mpikirakira azy koa miova satria efa tonga ianareo tanora mandray an’ilay izy. Etsy an-daniny, ny fahazoam-baovao misokatra kokoa satria betsaka ny loharanom-baovao.

TT : Inona no azo andikana izay ?

TR : Midika izay ho an’ny mpanao gazety sy ny mpikirakira vaovao rehetra mba ho malina tanteraka. Anankiray, ny olona te hahalala hoe ahoana marina ny fandehan’ilay firenena ? Miha malalaka kokoa mantsy ny fahafahana maneho hevitra sy manovo vaovao. An-kilany, mila mitandrina be ianareo mitrandraka azy satria raha feon-dakolosy tokana ihany no mivoaka nefa ny olona maheno feon-dakolosy hafa dia ilay hasina maha mpikirakira vaovao ny mpanao gazety ao anatin’ny fiarahamonina mihitsy no misy rimbona amin’izay fotoana izay.

TT : Fa miova manao ahoana tokoa moa ny fikirakiram-baovao ankehitriny ?

TR : Miova mihatsara ilay izy nefa koa mihasaro-pady. Mino aho anefa fa ireo tanora am-perinasa miatrika izany amin’izao fotoana  izao dia efa mahafantatra an’izany ary mihoatra an’ireo teo aloha aza angamba. Ireo fitaovana sy ireo loharanom-baovao mantsy, hoy aho teo, efa mitombo ary efa mihamisokatra ihany koa ny toe-tsainan’ny mpanao gazety.

TT : Ny hevitrao momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ?

TR : Misy zavatra roa mifandray ao anatin’ny fikirakiram-baovao dia ny fahefana satria ny mpanao gazety isan’andro mihoatra noho izay  mpitondra rehetra eo amin’ny firenena no miteny sy manoratra ho an’ny mpiara-belona foana. Io fahefana io anefa dia tsy afa-misaraka mihitsy amin’ny andraikitra. Ny fandanjana ny fahefana sy andraikitra izay, na iza na iza fa tsy ny mpampahalala vaovao ihany no tokony hijery izay fandanjalanjana izay.

TT : Ahoana kosa ny momba ny fanapenam-bava mivantana na ankolaka na koa famonjana mpanao gazety ?

TR : Ny fahaizana mifehy ny fandanjalanjana ireo zavatra roa ireo no anisan’ny mahavoa ny mpanao gazety raha ny zava-nitranga sy niainana teto amin’ny firenena no asian-teny. Tsy fantatra intsony mantsy fa lasa nisavoritaka ny mikasika ny andraikitra sy ny fampiharana ny fahefana. Farany moa dia tsy maintsy nizotra tamin’izay ka lasa tonga lasitra mihitsy ilay izy. Tsy mahagaga amin’izay fotoana izay raha izay manana ny fahefana goavana sy lehibe no mandidy sy mampihatra izay eo am-pelatanany.

TT : Inona no vahaolana azo hamahana izany aminao ?

TR : Ny zava-dehibe dia ny fametrahana eo anivon’ny fiarahamonina ilay antsoina hoe «tan-dalàna» satria raha vao misy ireo mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna dia tsy maintsy miezaka manao izay hahambonin’ny lalàna daholo ihany koa ny isam-batan’olona amin’ny fiainana andavanandro. Vokany, tonga any amin’ilay izay samy manao izay tiany sy mahafinaritra ny sainy ny tsirairay amin’ny sehatra misy azy avy.

TT : Ankehitriny dia mijoro eto amintsika ny sendika sy ny holafitry ny mpanao gazety, ny fijerinao io trangan-javatra io ?

TR : Ny fandaminana anie dia miankina betsaka amin’izay tianao hatao ao anatiny ihany e ! Amiko dia ilaina angamba amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenentsika izao ny fikaonan-doha iarahan’ny mpikirakira vaovao rehetra handinihana ireo zavatra marina andrasan’ny fiarahamonina amin’ny mpanao gazety sy ny fanontaniana ireo mpanjifa vaovao ny amin’ny zavatra tena ilaina marina. Aorian’ny fahafantarana sy famaritana ireo filana iombonana hifanekena ireo vao tokony hiroso amin’ny fandrafetana ny fitsipika hifampifehezana ny mpikirakira vaovao miaraka amin’ny mpamaky, mpihaino ary mpijery vaovao.

TT : Inona no azo hamehezana ireo resaka nifanaovana rehetra teo ?

TR : Tsy ny fijoroan’ny fikambanana mpanao gazety marobe eto amin’ny firenena akory no zava-dehibe fa ny fananana fomba fijery marim-pototra entina manatanteraka sy manatontosa ilay asa fampahalalam-baovao ao anatin’ny fitsipika mazava. Raha tsy izay dia korontana sy savoritaka lava no hiseho sy hitranga eo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT