Ho an’ny Profesora Tsiavaliky Céléstin dia lasa tetezamitatra ny fitondrana Tetezamita ary nanjary “feuille de rotaka” ilay “feuille de route”.
Toa miandrandra baiko avy any ivelany sisa ny mpitondra politika politisiana ankehitriny ho fanalavana ny tetezamita sy ny familiana ny firenena, hoy izy. Mihevitra noho izany ity filoha lefitry ny SECES Fianarantsoa ity fa tokony hajanona avy hatrany ny Tetezamita tantanan’ny mpanao politika politisiana ankehitriny izao. “Ireo sendika mijoro ara-dalàna, no avela hanendry ireo teknisianina sy mpanabe ary mpitandro filaminana hitantana ny tany sy ny fanjakana vonjimaika. Izy ireo no hisahana ny andraikitr’ireo Andrim-panjakana rehetra misy hamaranana ny tetezamita izany”. Tsy voatery hiasa amin’ny sezany anefa ireo olona avy amin’ny sendika ao anatin’ny fitondram-panjakana raha manamafy ny sendika niaviany ny tokony hijanonany amin’ny andraikitra raisiny raha ny sosokeviny ihany. Mila faritana dieny mialoha koa anefa ny tombontsoa na tambinkaran’ireo olom-boatendry teknisianina ireo mba tsy hisian’ny elanelana be loatra intsony eo amin’ny samy mpiasa izay fototry ny korontan-dava ateraky ny fitakiana fitovian-jo hatrany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.