Politique

Tsiambaratelon’ny Krizy 2009 Hivoaka amin’izay …


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Hanomboka hivoaka ary ho azon’ny rehetra jerena amin’izay ilay horonantsary fanadihadiana « Return of a President” ny 23 ka hatramin’ny 30 desambra ho avy izao.

 

Mitantara ny zava-nitranga sy nihatra tamin’Atoa Marc Ravalomanana taorian’ny fanonganam-panjakana 2009 izy, ny manodidina ireo fifampidinihana isan-karazany teo ambany fitantanan’ny SADC sy ny vondrona Afrikanina ary ny sehatra iraisam-pirenena nikaroham-bahaolana handaminana ny krizy Malagasy. Maro ny adihevitra amin’ny fomba nahatafaverina an’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara, betsaka ny tombatombana saingy tsy misy mahafantatra izay tena zava-nitranga hatramin’izao aloha. Ao anatin’ity horonantsary fanadihadiana novokarin’i Lotte Mik Meyer ity no mety ahitana ny marina ary hivoahana tranga maro nosokajiana hoe tsiambaratelo tao anatin’ireny fifampidinihana sy fifampiraharahana ho famahana ny krizy ireny. Manana anjara toerana goavana eo amin’ny tontolo politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ity filoha teo aloha ity izay efa nanambara fa kandida amin’ny fifidianana 2018.Anisan’ireo mpanao politika manana ny mampiavaka azy i Marc Ravalomanana ary tena manitikitika ny olona tokoa ny zavatra ataony sy ny teknika ampiasainy. Samy miaiky ny rehetra fa olon’ny serasera izy. Raha paikady politika indray dia efa iaraha-mahita fa matanjaka izy fa na dia maro aza ny fanasoketana, fanosoram-potaka, fanenjehana sy fampitahorana miaro fandrahonana ho faty mihitsy aza tamin’ny 2009 sy nandritra ny fitondrana tetezamita 5 taona, dia io tafaverina an-tanindrazana io i Marc Ravalomanana ary vitany ny nanetsika indray ny antoko Tiako i Madagasikara noforoniny tamin’ny 2001. Antoko sokajiana ao anatin’ireo 3 matanjaka indrindra eto Madagasikara. Atomboka any ivelany ny fandefasana anaty efitrano fijerena sarimihetsika ny « Return of a President » manomboka ny 23 desambra izao ary ho amin’ny 2018 no halefa eto Madagasikara izy io.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT