Politique

Tsiamalao - Befandriana Nidoboka am-ponja ilay Ben’ny tanŕna TIM


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Voatazona am-ponja vonjimaika ao Mandritsara nanomboka ny talata teo ny Ben’ny tanŕnan’i Tsiamalao, Distrikan’i Befandriana Avaratra,

Ndremalazamanana Charlie Dolin. Nisy nitory ho nanery olona handoa vola taminy izy ka nosamborin’ny zandary ary izao notanana am-ponja vonjimaika izao. Ndremalazamanana Charlie Dolin no hany tokana, Ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara (TIM) voafidy any amin’ny Distrikan’i Befandriana Avaratra. Nofidian’ny mpikambana ho mpitarika ny TIM any amin’io Distrika io izy. Heverin’ny mpikambana TIM sy ireo vahoaka nifidy azy tany Tsiamalao fa tetika politika entina hanilihana azy eo amin’ny fitantanana ny tanàna izao fampidirana azy am-ponja izao, mba hahafahana mametraka Delegasiona manokana, toerana efa kendren’ny adversera politikany rahateo.

Resaka omby very tao amin’ny Kaominina iadidiany ny herinandro lasa iny, no niandohan’ny raharaha. Roso nanara-dia omby very niaraka tamin’ny fokonolona i Ndremalazamanana Charlie Dolin. Sady Ben’ny tanàna rahateo izy no lehiben’ny Dina ifampifehezana, ho an’ny fandriampahalemana ao amin’ny fari-piadidiany. Very tao amina fokontany iray ny dian’omby. Niaiky ny tao amin’io tanàna io rehefa natao ny fampiharana ny Dina fa tao tokoa ny omby saingy efa lafo, ka raikitra fa hosoloina vola 2 tapitrisa Ariary. Voarain’ny tompon’omby ny vola. Voalaza fa voarakitra anaty horonantsary io fanatanterahana ny fifanarahan’ny tompon’omby sy ny tao an-tanàna io. Nisy namadika ho fanararaotam-pahefana hanerena olona handoa vola indray anefa izany, ka izao niafara amin’ny fitanana am-ponja ny Ben’ny tanàna izao, rehefa nosamborin’ny zandary ny zoma 29 jolay lasa teo izy.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT