Politique

Tsiamalao - Befandriana Ben’ny tanŕna TIM nosamborina, hiakatra Fitsarana anio


  • Talata 02 Aogositra 2016

Fanarahan-dia omby very no nialana tanŕna, fanenjehana no manery olona handoa vola no mahazo ny Ben’ny tanŕnan’i Tsiamalao, Distrika’i Befandriana Avaratra, voafidy tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara (TIM)

 

. Izy no hany ben’ny tanàna TIM any amin’ity Distrika iray any Soafia ity. Nisy omby very ny herinandro lasa iny tao amin’ny Kaominina iadidiany. Roso nanara-dia niaraka tamin’ny fokonolona ingahy Ben’ny tanàna. Very tao amina fokontany iray ny dian’omby. Natao ny famotorana rehefa navory ny fokonolona tao amin’io tanàna io. Niaiky ny tao fa tao tokoa ny omby saingy efa namidin’izy ireo, ka nifanekena fa hosoloina vola. Nohararaotin’ny adverseran’ingahy Ben’ny tanàna, ho fanararaotam-pahefana hanerena olona handoa vola aminy indray anefa izany. Nametraka fitoriana izy ireo, ka nosamborin’ny zandary ny zoma 29 jolay lasa teo ity Ben’ny tanàna TIM ity. Nentina nankao Mandritsara omaly izy, fa hatolotra ny fampanoavana anio talata ny raharaha. Mihevitra ny mpomba ny ben’ny tanàna, fa mifono politika ity fanenjehana azy ity, satria efa mandeha ny resaka io no lalana hanilihana azy mba hahafahana mametraka PDS na delegasiona manokana hitantana ny kaominina.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT