Hiharan’ny fanararaotam-pahefana ireo mpivarotra ao Anosizato Atsinanana I, hoy i Papasolo teto amin’ny gazety Tia tanindrazana, omaly.
Mpamafa lalana lehilahy roa no nambarany fa nandratra olona ny 24 desambra taona 2015 lasa teo tao amin’ity tsena ity izay nitaky vola tany amin’ny faritra tsy tokony hanaovany izany. Ankoatra izay dia mitohy ihany koa ny fakana vola tsy ara-dalana hataon’izy ireo amin’ny mpivarotra izay arahin’izy ireo fampitahorana mihitsy. 300 Ar isan-kariva no takiany amin’izany izay tango manta tsy misy ticket ankoatra ireo gros bras izay tsy fantatra ny fiaviany nefa maka vola eny an-toerana ihany koa. Tamin’ny faran’ny taona teo, ohatra, dia nambaran’i Papasolo fa nisy ihany koa ny fakana vola 2.000 Ar isaky ny mpivarotra izay tsy fantatra izay nanaovana azy hatreto ary tsy fantatra ihany koa no tena atidoha nikotrika izany. Nomarihin’i papasolo moa fa ekipan’ny TGV avokoa ireo mbola manjaka ao amin’ny tsenan’Anosizato amin’izao fotoana izao izay mety ho fandrika hanimbana an’i Neny Lalao Ravalomanana ka tokony hojerena akaiky.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.