Naely tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nampiroaroa saina nentina niresahana ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo natolotry ny TIM Rina Randriamasinoro.
Nambara tao anatin’io fa nisaotra ny fitondram-panjakana mijoro izy manoloana ilay tolotr'asa ho mpiasam-panjakana ambony izay hanaovan'ny fanjakana antso amin'izay rehetra vonona amin'ny fampandrosoana. Noforonina sy nolazaina fa notenenin’i Rina Randriamasinoro ny hoe: “Anisan'ny handefa ny candidature-ko aho satria ny fiainana mitohy ary izaho ihany no hamelona ny vady aman-janako, “opportunité” ho antsika vahoaka Malagasy, ka andao havela ny hambom-po fa handeha hifanolo-tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena". Nandiso tanteraka an’io ny tenany ary tamin’ny filazana fa “Tsapako tokoa ny fanirianareo ny hanaterako CV any, Misaotra amin’ny fahatsapana fa aty no misy ny atidoha (cerveau), kanefa, aza manely vaovao tsy marina etsy sy eroa satria izaho tsy nandefa CV tany, Sahia mijoro amin'ny fahamarinana raha tiana handroso ny firenena. Aiza ny “cybercriminalité” amin’izao ? Tsy vao izao ny karazana fanelezana zavatra tsy marina hanimbana na hamotehana olona. Vao tsy ela no nisy olona nanompa ny filoha tamin’ny tambajotran-tserasera ka nokarohin’ny fanjakana ary tratra tany Toliara. Rehefa ny mpitondra no voakitika dia mihatra ny tany tan-dalàna fa rehefa ny mpanohitra dia vao mainka aza homena vahana ny fanenjehana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.