Mindram-bola na omen’ny mpamatsy vola vahiny maimaimpoana i Madagasikara hamatsiana ny asa fampandrosoana. Efa ela no niainan’ny firenena izany nefa toa vao mainka aza mihemotra fa tsy mandroso ny Malagasy.
Nahatratra 14 miliara dolara ny totalin’ny vola voaangona tamin’ny fihaonana iraisam-pirenena tany Lyon. 1.5 lavitrisa euros ny fandraisana anjara ho an’ny frantsay izay hanomezana 5% ho an’ireo mampiasa amin’ny ampahany na manotolo ny teny frantsay. Nihaona manokana tammin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron i Andry Rajoelina ary nihaona tamin’i Bill Gates ihany koa, izay filoha mpanorina ny Microsoft sady voasokajy ho mpanankarena eran-tany. Nandritra ny fihaonana no niresahana ny tanjon’i Madagasikara hamongotra ny tazo moka amin’ny alalan’ny toeram-pitiliana sy toeram-pitsaboana ary fitaovana manerana an’ireo distrika. Marary tokoa mantsy ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Eo ihany koa, ny zava-misy eny amin’ny hopitalim-panjakana, vidiana ny fanafody sy ny fitaovana rehetra ilaina. Na tsy andoavam-bola aza ny saram-pitsaboana dia mbola mavesatra ho an’ny tsy manana ireo fanafody sy fitaovana ireo. Mazava loatra fa ny hoenti-manana izany no tena olana. Tsy vao ela ihany koa no nanambana ny tsy fahampian’ny ra teo anivon’ny « banque de sang » ao amin’ny HJRA. Mitaintaina ny manana marary mila ra raha nisy izany. Fitaovana fandresen-dahatra matanjaka be isaky ny fampielezan-kevitra ny fanatsarana ny fahasalam-bahoaka satria fantatry ny rehetra ihany fa io no fototra. Toa mitsipozipozy hatrany anefa ity sehatra ity. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : inona no tombony rehefa lany ny famatsiam-bola tamin’ny fanatanterahana tetikasa ? Milamina ny mpamatsy vola satria niasa ny mpanjifa ny volany. Ny mpanjifa kosa tsy nahazo tombony akory !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.