Politique

Troika-SADC Tanzania indray no mitantana azy


  • Alarobia 01 Aogositra 2012

Troika-SADC Tanzania indray no mitantana azy

 Noho izany dia mety ho ny minisitra Tanzaniana lefitra misahana ny raharaham-bahiny sy ny fifandraisana iraisam-pirenena Atoa Mahadhi Juma Mahadhi indray no hisolo toerana an'i Marius Fransman. Ry zareo Tanzanianina indray izany no hitarika ny fanelanelanana amin'ny krizy malagasy ary hitarika ilay fihaonana tapany faharoa amin'Atoa Rajoelina sy Ravalomanana izay tokony ho vita mialoha ny 16 aogositra satria manomboka amin'io ny fivoriana ara-potoan'ireo filoham-panjakan'ny SADC any Maputo - Mozambika. Fomba fiasa eo amin'ity vondrona ity moa ny fifandimbiasam-pahefana ka izay no anton'izao fiovana izao.

Tsara ihany ny manamarika fa ny atao hoe Troika dia ireo firenena (3) nitantana, mitantana ary hitantana ny SADC, amin’ny lafiny politika sy fandriampahalemana, ka maharitra herintaona ny fotoam-piasana. Efa mahalala tsara ny zava-misy eto Madagasikara ny SADC satria anisan'ny nandefa delegasiona mafonja teto mialoha ny nanasoniavana ny tondrozotra, nahitana miaramila sy teknisiana ary diplaomaty izy ireo. Raha ny tokony ho izy ihany koa dia fanohizana ny asa no atao fa tsy dia hoe misy zavatra miova be firy intsony. Tsara homarihana fa faramparany teo dia nandeha be ny resaka fa toa hoe akaiky kokoa ny fitondrana tetezamita i Marius Fransman, ka mety nisy akony tamin'ny asa fanelanelanana nataony izany. Ankoatr'izay dia nitsidika ara-pomba ofisialy an'i Frantsa koa ny filoha Afrika Tatsimo Jacob Zuma, no sady tonga tany Afrika Atsimo ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay, Alain Juppé. Asa aloha na nisy akony tamin'ny fitondrana ny fanelanelanana momba ny krizy Malagasy ireo na tsia, fa maro ihany no nahatsapa fa toa misy resaka ambadika izany...tany ho any. Tsy maintsy misy foana moa ny zava-miafina amin'ny resaka diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ary tena saropady ny asa fanelanelanana. Dia ho hita eo indray ny fomba fiasan'ny Tanzanianina hitantana ny Troika izany satria ry zareo indray izao no rôla !

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT