Herinandro aty aorian’ny nahavitan’ny asa nataony teto Madagasikara, ny 12 ka hatramin’ny 15 martsa teo, vao namoaka tatitra ny iraky ny Troika-SADC notarihin’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fiaraha-miasa, Marius Fransman ary nahitana ny minisitra lefitra tanzanianina, misahana ny raharaham-bahiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena Mahadhi Juma Mahadhi, ary ny kaomisera ambony zambiana miasa ao Afrika Atsimo, M.S Chikonde.
Misy andininy 18 ny fampitam-baovao nataon’ity iraka ity, izay manamafy ny tokony hamitana ny lalàna momba ny aministia hatramin’ny 31 martsa 2012 farafahatarany. Dingana lehibe miantoka ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna io, araka ny fanamarihan’ny Troika. Ity farany izay mahatsapa fa mbola maro ny ezaka tsy maintsy ataon’ny mpisehatra politika Malagasy hahatongavana amin’izany. Nanamarika ihany koa ity iraka ity, fa misy andininy maromaro tsy mbola nampiharina ao amin’ny tondrozotra.
Andraikitry ny Malagasy madiodio ny fampiharana ny tondrozotra, hoy ny fampahatsiahivana nataon’izy ireo, koa dia manainga ny mpisehatra rehetra izy ireo mba hanatanteraka ara-bakiteny izany ary hanaja ny fotokevitra nanoratana azy. Maika, araka ny fahatsapan’ny iraky ny Troika-SADC azy, taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo vondrona politika samihafa, ny fandinihana ny fiverenan’ireo sesitany politika an-tanindrazana tsy misy fepetra hirosoana amin’ny fihavanam-pirenena. Eo amin’izay indrindra dia manohana ny hanaovana dinika nasionaly andraisan’ireo vondrona politika samihafa sy ny fiarahamonim-pirenena anjara ny Troika-SADC. Nomena andraikitra hanamora ny fanomanana sy ny fanatanterahana izany ny Birao fifandraisan’ny SADC eto. Miantso ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina araka izany ny Troika-SADC mba hampitsahatra ny fifampihantsiana fa hibanjina miaraka kosa ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy, hahafahana miroso amin’ny fanomanana fifidianana, izay heverina hotanterahina alohan’ny faran’ny taona 2012 ity. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny fiarahamonim-pirenena, araka ny fanamarihana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.