Politique

«Triangle du Nord» Mamofompofona resa-poko


  • Alarobia 10 Jolay 2013

Fohazina indray ny «Triangle du Nord». Fifanojoan-javatra sa inona no tiana hahatongavana aminy, satria ao anatin’ny fotoana mampisavorovoro ny toe-draharaham-pirenena indray izy ity no resahina.

Nifamotoana tao Antsohihy, ny sabotsy lasa teo, ireo vato nasondrotry ny tany avy amin’ny Faritanin’Antsiranana, Mahajanga ary Toamasina mandrafitra ny «Triangle du Nord». Nandray anjara tamin’io ny praiminisitra Beriziky Jean Omer. Tao koa ny praiminisitra teo aloha, Mangalaza Eugène, ry Fanony Fulgence, Vony Roger, … izay raha atao bango tokana dia saika ireo mpandala ny Federalisma ny ankamaroany.

Namela tantara ratsy tokoa izany «Triangle du Nord» izany tamin’ny Repoblika faharoa, indrindra teny amin’ny anjerimanontolo. Mpifanandrina nivantana taminy tamin’izany ny «Etoile du Sud» ivondronan’ny zanaky ny Faritany telo amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ary tena nibahana tamin’izany ny resaka Foko sy fiaviana. Fiaraha-mientan’ny Faritany telo ho amin’ny fampandrosoana moa no nitondrana ny fihaonana tany Antsohihy farany teo, saingy mampieritreritra ihany hoe : amin’izao efa iainana ny rafitra Faritra hiaingan’ny fampandrosoana izao ve no mbola hiverin-dalana hiresaka Faritany indray ? Sao mba resaka hafa no ao ambadik’ity famohazana ny «Triangle du Nord» ity !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT