Lasa fanina ny mpanara-baovao sy ny mpikirakira vaovao raha nikaroka ny mombamomba ny depiote nodimandry,
Lucien Rakotomalala, ny alin’ny 7 jolay teo. Ny anaran’ny distrika nahalany ilay depiote mihitsy no nodisoin’ilay tranonkala. Antsohihy no misoratra nefa tokony ho Morombe. Tsy mba misy fanaraha-maso ity tranonkala ity mihitsy ve ataon’ireo tompon’andraikitra nampisahanina izany? Isaky ny inona ihany izany vao mba manavao ny antontan-kevitra ao anatin’ny tranonkala ireo tompon’andraikitra kanefa dia volam-bahoaka no lany hanakaramana azy ireo?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.