Notsikafonin’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezanita faritany Toamasina, Zafilahy Stanislas, tao amin’ny Magro Behoririka omaly ny momba ny hopitaly manara-penitra tetikasan’i Andry Rajoelina.
Nambara tany am-piandohana fa tsy andoavam-bola avokoa na ny fitsaboana na ny fanafody. Ankehitriny anefa, nanambara indray ny filohan’ny FAT fa zavatra vitsivitsy ihany no tsy handoavam-bola. Rehefa izay dia nohitsian’i Zafilahy Stanislas fa mamofompofona famotsiam-bola ny ao ambadik’ireny hopitaly manara-penitra sy ny trano mora, ary koa ireo trano mijoalajoala nitsangana tampoka eto an-drenivohitra ireny. Niantso ny sampana mahaleotena miady amin’ny famotsiam-bola na SAMIFIN ny tenany handray andraikitra.
Mpampihorohoro
Raha nampatsiahy ny datin’ny 11 septambra kosa ny tenany dia nilaza fa Etazonia dia niady hamongotra ny asa fampihorohoroana. Ny eto amintsika kosa dia ireo mpitondra mihitsy no mpampihorohoro. Niaraha-nahita ireny tamin’ny 26 janoary ireny, hoy i Zafilahy Stanislas. Raha nisy ny fifandonana teo amin’ireo polisy sy ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany tatsy Afrika Atsimo, tsy nihanahana ny filoha Zuma avy hatrany dia niala tsy nanatrika ny fihaonan’ny SADC fa nihazo an’i Afrika Atsimo, ny antsika anefa mbola nahavita niala sasatra tany ivelany, nitsidika ny JMJ sy ny hafa tsy voatanisa ny olona milaza azy ho mpitondra. Efa am-bolana aty aoriana vao milaza fa hitady fitaovana any Eoropa sy Etazonia. Tsy mitombina izany ka aleo miala fa ity firenena ity tsy azo atao takalon’iana. Raha fanafarana fitaovana izany, hoy izy dia mbola hiandry am-bolana indray. Sempotra ny vahoaka Malagasy. Ny hoavin’ny taranaka mihitsy no miha ratsy noho ny fanonganam-panjakana. Sahiko ny manao fanamby, hoy izy fa raha mbola teo ny filoha Ravalomanana tsy ho toy izao isika. Manahy koa ny tenany fa tsy hijanona ao Atsimo io asan-dahalo io fa hiparitaka manerana ny Nosy. Ampy izay ny fihazohazoana, hoy izy fa andeha hanambatra ny hery satria tsy ekena ho lasa modely ratsy aty Afrika i Madagasikara.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.