Misy trano roa malaza ao Itaosy izay toerana fandihizana sy fanaovana karaoke ary famoriana tanora rehefa alarobia hariva sy zoma hariva ary ny faran`ny herinandro.
Tsy mandoa vola ny tovovavy amin`izany fa midi-potsiny satria ireny no tena taomin`ny tompon`ny trano ho tonga maro ao. Sodoka ny tovovavy kely vao herotrerony mpianatra 4e sy 3e ka dia roboka ary dia mahavatra mingitrika tsy mianatra alarobia hariva fa voatarika amin`ireny. Dia misotro sy mandihy miaraka amin`izay lehilahy miantoka azy ary dia tsy mody an-trano mihitsy. Misy miteny fa asian`ny lehilahy fampatoriana na zava-mahadomelina sy mety hampalemy ny sakafo na fisotro na ny sigara fohin`ny vehivavy izay entiny ary dia manomboka eo ny fanatanterahany ny filan-dratsiny rehetra. Efa nisy teo Anosimasina ny trano filalaovana sy fandihizana toy izany. Efa nanaovan`ny sekoly maro sy ny mponina manodidina fitarainana ary nakatona saingy niova anarana indray taty aoriana rehefa niova ny fitondrana ary dia mahazo vahana indray ankehitriny. Vao afak`omaly alarobia no nisy tovovavy 3ème ao amin’ny CEG eny Itaosy, tsy tonga nianatra ary tsy nody an-trano sady tsy hita popoka hatry ny omaly antoandro. Manahy ny ray aman-dreniny fa sao tratry ny fanolanana faobe ilay tovovavy. Rehefa nanontaniana ny namany dia hoe niditra tamin`ireny toerana ireny io tovovavy io ny alarobia teo. Mitazam-potsiny ary ve ny fokontany, kaominina, mpitandro ny filaminana sy ny minisitera mpiahy amin’ny toe-javatra toy izao sa dia efa hopotehina mihitsy ny tanora Malagasy e ?
Nangonin-dRabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.