Araka ny efa notaterina teto taorian’ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana, dia nisy ny sambo iray antsoina hoe « Lumina » tra-tehaka tany Cap Masoala saika hanondrana an-tsokosoko boaderozy.
Nanaitra ny maro ny bemidina nataon’ny praiminisitra sy ny minisitra maromaro tany Toamasina ny zoma lasa teo. Fa inona no nahamaika ? Fa angaha tsy maintsy praiminisitra miampy minisitra 5 vao afaka manamarina ny fisian’ireo hazo sarobidy efa nentina tao Toamasina ? Ny faran’ny herinandro teo dia nivoaka ny resaka fa hay misy manampahefana voasaringotra ao anatin’ity afera maizina ity. Re fa misy minisitra vitsivitsy tafiditra mivantana na an-kolaka ao anatin’io trafikana andramena tsy ara-dalàna io. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana sy ny mpanao gazety koa dia heverina fa hivoaka tsy ho ela ny anaran’ireo atidoha nikotrika ity trafikana boaderozy 340 bolabola ity. Tsy olon-tsotra na mpandraharaha tsotra tokoa mantsy no ho sahy hanondrana harem-pirenena efa voararan’ny lalàna fa tsy maintsy olona manana ny maha izy azy sy manam-pahefana ary lava tanana sy afaka manindry bokotra. Ankoatra ireo minisitra ireo dia voalaza ihany koa, araka ny loharanom-baovao iray fa misy olona akaikin’ny filoham-pirenena tafiditra ao anatin’ity trafikana boaderozy ity.
Efa very an-javony tsy nisy tohiny intsony ilay trafikana bolabolana boaderozy 30 000 tratra tany Singapour volana vitsy taorian’ny naha filoha an’i Hery Rajaonarimampianina ny taona 2014. Ny fandrobana harem-pirenena taorian’iny efa tsy hay intsony, koa ho hita eo indray ny momba ity boaderozy tratra tany Cap Masoala ity. Ho fantara ve ny tena marina sa sanatria ho lasa misitery tahaka ny raharaha Ratsimandrava sy ny fahamaizan’ny Rovan’i Manjakamiadana ? Ny azo antoka 100% aloha dia vao miha mampitombo ny ahiahin’ny mpiara-miasa sy ny mpamatsy vola ity afera maizina ity, ary manaratsy endrika tanteraka ny fitondrana HVM sady hampitarazoka ny famoahana ny famatsiam-bola isan-karazany izay hireharehan’ny fanjakana ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.