Fahadimy : (sary caricature Zafy Albert)
Tsy nisy tsy nanantena fiovana tamin’ny fitrondrany. Tsy misy tsy nitolona, indrindra fa teto an-drenivohitra. Samy niandrandra avokoa ny ho fiakaran’ny faripiainan’ny tsirairay. Nandeha anefa ny efatra taona, betsaka no kivy, satria nidangana be ny vidin’ny vola vahiny noho ny “financement parallèle” tamin’izany fotoana. Nitsahatra teo ihany koa ny fanjakan-dRaprôfy fa dia norombahan-dRadidy indray ny fitondrana.
Fahefatra : (sary caricature Pastera Richard Andriamanjato)
Nahay niresaka. “Savony vava” moa no niantsoana azy tamin’izany. Tsy nisy tsy niandrandra azy tamin’izany fotoana, satria tao anatin’ny fitondrana mavaivay an-dRadidy ny firenena. Izy ihany koa dia anisan’irony mpanao politika tena avara-pianarana ka nantenain’ny olona maro. Taty aoriana anefa dia nanomboka nivadibadika palitao izay ny raiamandreny, ka tena very tanteraka ny “popularité”-ny taorian’ny kirizy 2009.
Fahatelo : (sary caricature Didier Ratsiraka)
Miaramila tanora, olom-baovao, manana traikefa. Izany no nandraisan’i Gasikara manontolo ny filoha Ratsiraka tamin’izany fotoana. Tsy nisy nanampo mihitsy ireny filaharana savony sy menaka tetsy sy teroa ireny. Tsy nisy nisaina akory ny fitotongan’ny fiainana tamin’ny taona 80. Izany moa no antony nahatonga ny hetsika tamin’ny 1991, satria teo vao tonga saina ny vahoaka fa tena diso lalana hatrizay.
Faharoa : (sary caricature RATSIRAHONANA Norbert)
“Ny asa vita no hifampitsarana” na koa hoe “Na ny zanako aza no mandika lalàna, dia saziako”. Tsy nisy nanadino izany isika mianakavy. Nanantena avokoa fa tena olona hampihatra ny lalàna ingahy mpitsara. Betsaka no nametraka fanantenana tamin’ingahirainy talohan’ny niarahany tamin’i Zandry Kely. Ankehitriny anefa dia iva dia iva ny fitokisan’ny olona azy ity. Betsaka ary ny manahy fa izy avokoa no ao ambadik’izao kirizy tsy mety tapitra eto amin’ny firenena izao.
Voalohany : (sary caricature Andry Nirina Rajoelina)
“Fitiavana”, “grenady nisy nitoraka tao an-trano”. Iza moa no tsy nangoraka tamin’izany ? Hatramin’ny fangalaram-bato tetsy Manakambahiny, dia tsy nisy tsy nalahelo an’i Zandry Kely isika. Taty aoriana dia nampiany “vary mora” sy “force hoanina” ny vahoaka ka roboka avokoa. Nisy ny nitondra am-bavaka, nisy mihitsy ary ny nivavaka taminy. Indrisy anefa, taona vitsy monja aty aoriana dia be dia be ireo nanenina tongotra aman-tanana tamin’ny fihetsiny. Vao mainka mirongatra ny kolikoly sy ny asan-jiolahy noho ny fitotongan’ny fiainana. Diso sy adino avokoa ireo fampanantenana sy zavatra notenenina tamin’izany. Ingahirainy koa moa bôgôsy ka betsaka ny vehivavy no tonga dia jambena… kanjo, nony nazava, zavatra hafa no norohana ny alina nandritry ny alim-pandihizana…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.