Mampiteny ny moana tokoa ankehitriny ny mahita ny fihetsiketsehan’ireo kandida mandritra ny fampielezan-kevitra ataony amin’izao fotoana izao satria vola be amina miliara maro no ampiasainy hoentiny handresen-dahatra ny vahoaka hifidy azy.
Manome endrika fanesoana manoloana ny fahantran’ny vahoaka Malagasy maro an’isa izay tafiditra lalina ao anaty fahantrana mangitsokitsoka ny zava-misy iainana ankehitriny. Rarakivy ny mpitazana sy mpandinika ny raharaham-pirenena mahita ireo volabe miraradraraka etsy sy eroa amin’ny endriny samihafa. Ireo mpitondra tao amin’ny FAT lasa kandida no tena mampiasa ity volabe tsy fanta-piaviana ity. Loharana amin’izany i Hery Rajaonarimampianina, minisitry ny vola teo aloha izay mahavidy ny ankamaroan’ireo haino aman-jery sy gazety sady manakarama mpanakanto maro manafana ny famoriam-bahoaka ataony amin’ireo tanàna rehetra tsidihany. Manana orinasa mpanamarina kaontim-pitantanana ity farany izay tena manana ny toerany tokoa nefa tsy ho ampy hanaovana fampielezan-kevitra ny vola azony amin’izany. Isany mampiasa volabe koa ny jeneraly Camille Vital izay mpandraharaha salatsalany tao Toliara ny asany talohan’ny nidirany amin’ny sehatra politika. Tsy latsa-danja koa i Hajo Andrianainarivelo izay praiministra lefitra misahana ny fampandrosoana teo aloha. Izy telo ireo no tena misongadina momba ity resaka ity izay mampametra-panontaniana ny fananan’izy ireo volabe raha tarafina amin’ny fananany manokana.
Azo antoka ny fananan’izy ireo loharanom-bola hafa, indrindra fa manana zo hahazo fanampiana ara-bola ny antoko politika saingy tokony mazava ny fiaviany. Etsy an-daniny anefa dia mipetraka ny fanontaniana hoe : «fa taiza ireny volabe ireny no hatramin’izay no tsy nampiasana namahana ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka Malagasy izay milomano ao anaty fahantrana tanteraka ankehitriny ?». Raha dinihina tokoa mantsy ireo olona milatsaka hofidiana dia saika tao anatin’ny fitondrana tetezamita avokoa ny ankamaroany, kanefa tamin’ity fitondrana ity no tena nampitotongana fatratra ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Firenena Mikambana. Manaporofo izany koa ny fahaverezan’asa noho ny fikatonan’ireo orinasa maro teto amin’ny firenena vokatry ny krizy politika lavareny iainana mandrak’ankehitriny. Fehiny, mbola mihatra eto amintsika ny politikam-panjanahana ankehitriny, hampahantraina ny vahoaka mba ho mora ny hividianana azy rehefa tonga ny fotoana ilana azy toy ny : fifidianana… Mahagaga e ! ilay fitiavan-tanindrazana sadasada ananan’ireo mpanao politika ! Politikan’ny vahiny foana io e !
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.