Politique

Tontolon’ny asa eto Madagasikara Mbola tena ratsy sy tsy ara-drariny


  • Zoma 29 Aprily 2016

Ratsy amin’ny ankapobeny ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Tsy mbola mipetraka eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy mantsy ilay antsoina hoe «asa mendrika».


Voasokajy ho asa fivelomana aloha hatramin’izao ny ampahany betsaka mandrafitra ity sehatra ity eto amintsika, araka ny fanadihadiana notontosain’ny IndustriALL Global Union. Tena ambanin-javatra ho an’ny mpampiasa, ohatra, ny vidin-katsembohana (karama), ny lafiny fiarovana ara-tsosialy na koa ny fiahiana ara-pahasalamana izay antoka fototra amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo mpiasa eto Madagasikara. Difotry ny fidangan’ny vidim-piainana miaraka amin’ny fitotongan’ny fahefa-mividy ny mpiasa Malagasy, hoy i Paula Ndessomin. Malemy ihany koa ny fanjakana sy ireo sendika manoloana ireo mpandraharaha na orinasa vahiny mampiasa vola eto Madagasikara, hoy ny mpandrindra ny federasionin’ny sendika eto amin’ny faritra Atsimon’i Afrika. Vahaolana iray azo hampivoarana ny tontolon’ny asa toy ny zava-misy any amin’ireo firenena afrikanina rahavavy ny fikarakarana dinika sosialy matetika eo amin’ireo mpisehatra voakasik’izany, araka ny fanazavan’ity mpitantana ny federasionin’ny sendika vahiny ity. Zava-dehibe ao anatin’ny fifampiresahana anefa ny fampitoviana lenta ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ialana amin’ny tsindry samihafa.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT