Efa nazava ny kisarisary politika taorian’ny fifidianana filoham-pirenena ny 20 desambra 2013 fa dia mbola ireo hery roa nifanandrina tamin’ny 2009 ihany no nifampitady tamin’ny fifidianana. Araka ny tsapa-kevitra sy fanadihadiana tsotsotra natao dia maro ny olona mihevitra fa mbola ny ankolafy Ravalomanana
ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina ihany no hifampitana amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo, dia ny fifidianana Ben’ny tanàna izany. Tafiditra ao amin’ny laharana fahatelo heverina fa hery politika manana ny maha izy azy eto Madagasikara, raha araka ny hevitry ny olona ihany ireo kandida tsy miankina. Mazava ny resaka eto fa tena maivana be ny antoko eo amin’ny fitondrana na ny HVM ary tsy dia mahaliana ny olona firy, no sady tsy maharesy lahatra ny valalabemandry. Vao miha nanaratsy endrika ny HVM ny fihetsik’ireo manampahefana sasany izay mamerina ny nambara fa tsy nety nataon’ny teo aloha amin’ny fampiasana ny fahefana sy ny fitaovana eo am-pelatanany mba hampandrosoana ilay antoko. Tsy dia atao mahagaga noho izany raha malaina ny hamela an’Atoa Marc Ravalomanana hody malalaka eto Madagasikara ny mpitondra ankehitriny satria fantatr’izy ireo tsara ny mbola hery ara-politikan’ity filoha teo aloha ity sy ny fitiavan’ny vahoaka azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.