Niampy iray indray nanomboka ny sabotsy teo ny fikambanana sy ny antoko politika misy eto Madagasikara.
Nampahafantatra ny fijoroany tao Toamasina tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Le Neptune” ny fikambanana politika “GASY-MI” na “Gasy Mifankatia”, tarihin’ny filoham-boninahiny Atoa Zafivao Jean Louis sy ny filohan’ny fikambanana politika Atoa Tsimisaraka Toussain Stanislas ary ireo mpikambana mandrafitra ny birao politikany. “Fikambanana politika vonona hiatrika ny fifidianana hifandimby manomboka ny taona vaovao 2018 ny GASY-MI. Tsy voatery hanolotra olona izy fa afaka manohana olona na antoko mitovy hevitra ara-politika aminy ihany koa, hoy ny filohan’ny fikambanana. Nohamafisiny fa fikambanana politika mpanelanelana izy ireo fa tsy mpanohana na mpanohitra ny fitondrana. Ny tanjony, araka ny fanazavana hatrany, dia ny tena hampihavana ny Malagasy tahaka ny anarana entiny ihany. Ho an’ny GASY-MI dia tsy hisy fampandrosoana eto amintsika raha mbola fitantanam-panjakana mivangongo amin’ny toerana iray ihany no itantanana ny firenena. Mila haverina ny politika tsara nataon’ny fitondran’i Tsiranana nanome fahafahana ara-bola sy ara-ekonomika ny isam-paritra sy ny isam-paritany, nefa niniana nofoanana ny taona 1973 izay mbola notohizana hatramin’izao. Ny GASY-Mi izany mihevitra fa ny fitsinjaram-pahefana isam-paritra sy isam-paritany tena izy ihany no tena vahaolana amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Na fikambanana politika nasionaly aza ny GASY-MI, izay efa misy solontenan’izy ireo avokoa ny isam-paritra 22 sy ny isam-paritany 6, dia ao Toamasina no misy ny foiben’izy ireo izay iaingan’ireo dinika sy ny politikam-piarahamonina entiny rehetra. Taorian’i Toamasina dia hanomboka hitety faritra sy faritany ny birao politika hametraka sy hampahafantatra ofisialy ny fijoroany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.