Efa sangany amin'ny politika avo lenta tokoa ny eto Madagasikara, tompondakan'ny famadihana palitao sy fiovana foto-kevitra tampoka ny mpanao politika.
Miovaova araka ny vanim-potoana sy ny zava-misy ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpanao politika. Miady Rakoto sy Rabe omaly, mihavana androany, ary mety samy hanana ny lalan-kizorany indray rahampitso. Efa ho volana maromaro izao dia hita ho samy maka ho azy izany ny ankolafy telo, ny ankolafy Ravalomanana moa dia nanasonia ny tondrozotra ary niditra tao anatin'ny rafitra tetezamita, ny ankolafy Zafy nanasonia tondrozotra saingy tsy nanolotra tamin'ny fomba ofisialy olona hiditra ao anatin'ny tetezamita. Naka toerana tsara amin'ny maha minisitra azy anefa ry Manoro Régis sy Tabera Randriamanantsoa mbamin-dry Marcel Bernard izay tena olona akaikin'ny profesora Zafy Albert, hatry ny ela.
Ny ankolafy Ratsiraka moa dia ivelan'ny tetezamita tanteraka satria tsy nanasonia tondrozotra. Tonga teto nitsapa ny halalin'ny rano ny Amiraly, dia lasa niverina any Frantsa indray. Tsy fantatra mazava intsony izay tena tanjon'ity ankolafy ity amin'izao fotoana. Samy mankasitraka ny fihaonana sy ny fifampidinihana ny ankolafy telo. Rehefa raikitra anefa ny fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, fototra niaingan'ny krizy dia milaza ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka fa tsy hamaha olana izany fa tahaka ny fandaniam-potoana ihany. Fihaonamben'ireo vondrona politika no takian'izy ireo.
Ao ary ireo mbola manao izay azo atao rehetra mba hidinana an-dalambe. Ho an'izay maharaka ny fomba fiasan'ny mpanelanelana momba ny krizy Malagasy anefa dia mahafantatra tsara, fa fihaonana santatra ny azy mianaka io, fa tsy maintsy mbola hisy ny fihaonambe aorian'io ka mahagaga ihany ny tonga dia hanakianan'ny sasany ilay fihaonana. Efa fantatra mazava tsara anefa fa tsy maintsy misy fanombohany ny zava-drehetra. Ny zavatra tahaka izao no mahatonga ny olona sasany hieritreritra fa mety misy tokoa ilay ankolafy iray vaovao, sady tsy tia an'i Marc Ravalomanana, no tsy mankasitraka an'i Andry Rajoelina ihany koa fa mitady hanao "film" vaovao eto mihitsy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.