Politique

Tontolo politika Mifampiankina ny zava-drehetra


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

Raha toa ka manomboka mihetsiketsika amin’ny resaka fifidianana ireo vondrona politika samihafa ankehitriny, tsy mbola mivaha aloha ny krizy.

 Misy ireo firenena efa vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanamboarana sy fanotana ny bileta tokana, toa an’i Aostralia sy ny nosy Maorisy. Etsy ankilan’izay ny SADC dia re koa fa efa manadihady ny mahamety na tsia ny fodian’ny filoha teo aloha an-tanindrazana. Tsy maintsy atao moa ny fanadihadiana saingy raha ny fandinihana azy dia tsy maintsy hiverina eto ingahy Ravalomanana ary handray anjara mavitrika amin’ny raharaha politika.

Manomboka miseho masoandro koa ny fivakisan’ny ankolafy Rajoelina, izay zarazarain’ny tombontsoa sy ny foto-kevitra ka noho izany dia tsy azo ihodivirana ny fisarahana. Manaratsy endrika ny filohan’ny tetezamita izany ary toa manamarina ny ahiahin’ny olona sasany tamin’ny 2009 fa tsy ho lasa lavitra amin’ilay resaka fanovana sy fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy i Andry Nirina Rajoelina sy ny ekipany fa maika ny haka fahefana fotsiny. Nandalo dia niserana ny «Tsena Mora» sy ireo moramora isan-karazany. Araka ny fandinihana azy dia mety ilay tsy fahamatorana sy ny tsy fisian’ny zavatra tena misongadina vitan’ny FAT, no nahatonga ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny manomboka, mirona any amin’ny fampodiana an’i Marc Ravalomanana sy ny tsy maintsy handraisany anjara amin’ny tetezamita sy ny fifidianana.

Nisy ny fotoana niheveran’ny maro mihitsy fa vitan-dRajoelina ny baolina ary izay no izy amin’i Dada fa dia tavela any Afrika any iny. Nifandimby teny anefa ny andro sy ny volana ka nanomboka nitsimbadika ny rasa. Tsapa ho tena nihena ny herin’ny ankolafy Rajoelina eo amin’ny tontolo politika, taorian’ny nanasoniavana ny tondrozotra, ary raha tsy nisy ireo be galona avy ao amin’ny foloalindahy manohana azy angamba, dia mety efa natao veloma teo amin’ny fitondrana ingahy Andry Rajoelina. Tsapa ho marefo fomba fiasa eo amin’ny resaka diplaomasia ihany koa ny ao Ambohitsorohitra, ary mibaribary be fa kilema lehibe ho an’izao tetezamita izao ny tsy faneken’ny Amerikanina azy, izay mitarika zavatra maro be eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Manohana ny Frantsay, saingy tsy ampy izay fa raha nety dia tsy tahaka izao ny zava-nisy. Zava-dehibe roa no andrasana amin’ny dingana famahana ny krizy izao. Eo aloha ny fodian’i Marc Ravalomanana ary faharoa manaraka izay dia ny fiverenan’ny fifampidinihana tena izy, eo amin’ireo vondrona politika ka hahafahana mahita marimaritra iraisana eken’ny rehetra mba hampandroso ny asan’ny tetezamita. Fa raha sanatria ka tsy tanteraka ato anatin’ny roa volana ireo, dia sarotra ihany ny hinoana fa hilamina ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 8 mey 2013. Dia tena mifampiankina tokoa ny zava-drehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT