Tontolo politika
Mahazo aina ny mpanohitra
Masiaka ny fomba fiteny ireo mpanohitra, tahaka ny avy ao amin’ny ankolafy Zafy, izay mazava be mihitsy fa tsy mila intsony an’i Andry Rajoelina hitantana ny tetezamita. Manohitra ao anaty rafitra kosa ny ankolafy Ravalomanana ary manao izay fomba rehetra hahatanteraka amin’ny ambongadiny ny tondrozotra. Efa manana solontena any anatin’ny CENIT ihany koa ity ankolafy ity. Raha ny fahitana azy dia miditra amin’ny ady ambony latabatra amin’izay izao ny resaka eto fa tsy lamaody intsony ny fidinana an-dalambe sy ny fifohana setroky ny lakrimôzenina. Noheverina fa lefy ny herin’ny mpanohitra, noho ny fivakisana tetsy sy teroa, saingy hita fa tena mbola matanjaka sy manana ny olony izy ireo ary manana drafitra maty paika.
Tsapa ho tena sahiran-tsaina sy tapi-dalan-kaleha kosa, etsy ankilan’izany, ny FAT sy ny mpiara-dia aminy, izay hatramin’izao dia mbola mandany ora sy fotoana manakiana sy manaratsy ary manoso-potaka an’i Marc Ravalomanana foana. Tsy nisy fivoarana mihitsy ny paikady politikan’izy ireo fa dia niorina fotsiny tamin’ny fankahalana olona iray. Ny mpandinika ny toe-draharaha politika, dia tsy gaga raha tsy lasa lavitra sy tsy nahavaha olana ny FAT, satria fankahalana sy fahatezerana niampy valifaty no tao am-po sy tao an-tsain’ny ankamaroan’ireo manampahefana, fa tsy vinam-piarahamonina matotra, na programa sosialy mafonja miampy fandaminana sy fitoniana mba hahatongavana any amin’ny fifidianana.
Hatramin’ny 2009 no ho mankaty, dia sampontsampona avokoa ny zava-misy any anaty fitantanana ny fanjakana any, ary hafahafa ihany koa ny fomba fiasan’ireo olona ambony maromaro. Fanovana ety ivelany sy any anaty kabary fotsiny no nezahana nanapena-maso ny Malagasy teto, tato anatin’ny telo taona fa tsy misy mihitsy izany fihatsarana izany. Tsy misy afaka handà an’izany kosa angamba, raha tena mandinika amin’ny saina tsy miangatra ny zava-misy. Miha mahazo hery sy mahazo aina, indray ny mpanohitra an’i Andry Rajoelina ankehitriny satria ela fidona ny FAT ary nanao fahadisoana misimisy ihany. Maro rahateo koa ny efa nandao ilay sambo be tsy nihetsika ny seranana, ka namoaka tsiambaratelo tetsy sy teroa. Koa rariny loatra raha tsy matoky tena intsony ny filohan’ny tetezamita, ary tsy sahy tena mandray fanapahan-kevitra goavana. Ary raha ny tena marina aza dia efa tena maivana dia maivana ihany koa ny fahefana eo am-pelatanany satria efa nozaraina. Ny mpanohitra kosa dia nisy ireo niditra anaty rafitra, misy ireo manakiana avy ety ivelany, ao ireo miasa mangiana any ambadika any, ka tena sarotra ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany ny mifehy na mamotika azy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.