Politique

Tontolo politika Ho avy masiaka ny HVM


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Hipoitra ny HVM amin’ny volana novambra, rehefa nisafidy nangina satria olona nitondra izy.

 

 

 

Ny 90% tamin’ny mpitarika ny HVM tao anatin’ny fitantanana daholo ka nahoana moa no handeha hirodorodo ao anatin’ny fanjakana vao mijoro eo, kanefa nitondra nandritra ny 5 taona. Tsy milaza hoe rehefa  hivory izahay dia handeha hanao izay tsy hampandroso ny firenena, fa ao anatin’ny fitoniana sy ny fijerena ny ho avin’ny antoko no antony, hoy i Rivo Rakotovao. Tampoka ho an’ny sasany fa tsy ho anay satria efa fotoana nifanomezana io. Marina fa ny tanjaky ny antoko dia mety jerena any amin’ny isan’ny olom-boafidy, fa tao anatin’ny telo volana naharesy ny kandidanay Hery Rajaonarimampianina ve izahay no handeha hihazakazaka sahady kanefa efa niarahanareo nahita hoe: olona tao aminay ihany no lasa kandida filoha, nisy nivadika tatsy sy taroa,… Naleonay aloha nijery sy namela malalaka ny rehetra nanomboka tamin’ny fifidianana filoha fihodinana faharoa. Moramora kokoa izy amin’izao hoe: hay ve ranona tahaka izao, hoy hatrany Atoa Rivo Rakotovao. Raha nanontanian’ny mpanao gazety amin’ny mety ho toeran’ny HVM na hanohitra na tsia Atoa Rivo Rakotoavao, dia nambarany fa raha nitovy ny hevitra tsy nandatsaka olona izy ireo. Izay no manahirana hoe: misy ny olona avy milatsaka avy etsy dia milatsaka amin’ny anaran’ny aroa, fa izahay tsy manao izany, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT