Politique

Tonga ny Troďka Tsy misy resaka sonia


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Nigadona teny Ivato omaly tolakandro ny ekipa teknikan’ny Troika SADC. Nahitana solontena avy any Afrika Atsimo sy Zambia ary Tanzania izy ireto, ankoatra ny Mozambikanina.

 Izy ireto no mialoha lalana ireo minisitra izay andrasana amin’ny alarobia izao. Ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Mogkheti Monaisa no nanazava teny Ivato omaly, raha nisolotena ireto delegasiona ireto fa tsy ao anaty fandaharam-potoanan’izy ireo ny resaka fanaovan-tsonia ny sori-dalana. “Hihaino ny Malagasy sy hanampy azy ireo hahita ny marimaritra iraisana no anton-dian’ireto iraka ireto, ka rehefa hita ny marimaritra iraisana, hirosoana ny sonia. Tsy mametraka fepetra mihitsy izahay fa anjaran’ny Malagasy ny mifandresy lahatra noho ny krizy efa lalim-paka”, hoy izy. Nambarany anefa fa handeha hody izy ireo raha mandeha ila izany. Tamin’ny fomba fiteny ara-diplaomatika kosa no nilazan’i Mogkheti Monaisa fa tokony ho ny Malagasy rehetra no hanao sonia izany sori-dalana izany eto Antananarivo ary anisany Atoa Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. “Momba ny sori-dalana hosoniavina kosa, notanisainy ireo dingana efa nolalovana. “Ny Malagasy no nanitsy izany tany Gaborone ary nohamafisin’ny fivorian’ny SADC tany Sandton ka io no atao sonia”, hoy izy. Nahitsy kosa anefa ny filazany fa tsy tokony hanaovana adihevitra izany vetsovetsom-pon’i Simao sy Salomao, tonia mpanatanteraky ny SADC izany amin’ilay sori-dalan’izy ireo. Mikasika ny fiverenan’ireo sesitany politika an-tanindrazana, toa an-dRavalomanana, dia tamin’ny teny mazava no nilazany fa “tsy tokony ho olana izany”. “Tsy azo atao ny manakana ny olom-pirenena iray tsy hody amin’ny fireneny raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mitovy hevitra amin’izany ny Sadc”, hoy ity ambasadaoron’i Afrika Atsimo ity.

Tonga nitsena ireto delegasiona ireto teny Ivato ny lehiben’ny diplaomasian’ny FAT, Yvette Sylla. Nambarany fa ny taratasy tonga any amin’izy ireo dia hanatrika ny sonia amin’ny 16 septambra ireto delegasiona ireto, sy ireo minisitra mbola ho avy, ary efa voafaritra hatramin’ny ora sy ny fotoana aza (?). “Haka andraikitra isika amin’io sonia io ary omena azy ireo izany avy eo”, hoy izy. Misy ifandraisany amin’izany ve ny fahatongavan’ny Dr Leonardo Simao indray niaraka tamin’ireto delegasiona omaly ireto ?

 

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT