Politique

Tonga i Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Antomotra ny fiverenan’i Dada


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Ara-bakiteny tokoa io ! Tafaverina an-tanindrazana i Tojo Ravalomanana, zanaka lahiaivon’ny filoha Marc Ravalomanana.

 Omaly tamin’ny roa ora sy efapolo minitra teo no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina an’ny kaompania Airlink nitondra azy mivady sy Randrianarisoa Guy Rivoniaina, mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha Ravalomanana, sady mpitondra  tenin’ny ankolafy Ravalomanana rahateo. Efa filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo ity farany, tsiahivina ihany. Tsy nandrenesana NOTAM na sakantsakana mahakasika azy ireo omaly. Na izany aza dia fantatra fa nasaina nanao sonia taratasy fanekena izy ireo nialoha ny nivoahana ny faritry ny seranam-piaramanidina, mba hahafahana manara-maso azy ireo angamba (?). Raha ny fantatra hatreto aloha dia eto an-drenivohitra ihany na ry Tojo Ravalomanana na i Guy Rivo no hipetraka.

Hanomana. Ho mpisava lalana hanomana ny fiverenan’i “Dada” ve no ahatongavan’i Tojo Ravalomanana, toy ny nahatongavan’i Xavier Ratsiraka nialoha lalana ny fahatongavan’ny amiraly Ratsiraka rainy ? Tsy nisy ny fanambarana na resaka tamin’ny mpanao gazety nataon’izy ireo teo am-pahatongavana, fa dia namonjy avy hatrany ny fiara hitondra any amin’ny toerana tokony hivantanany avy izy ireo. Na izany aza nahazoana fanazavana fohy i Guy Rivo fa tonga eto an-tanindrazana amin'ny maha olom-pirenena tsotra azy aloha izy ireo. Naniry ny hihaona amin'ny fianakaviana ihany koa fa efa nisaraka taminy ela. Mikasika ny nahatafara-dia azy tamin'i Tojo Ravalomanana indray dia amin'ny maha olona akaiky ny filoha teo aloha azy no antony, nefa koa “voairaka hijery sy hanara-maso akaiky ny fametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana”. Loharanom-baovao hafa no nandrenesana fa mety hisy fihaonana amin’ny mpanao gazety hataony anio na rahampitso talata mahakasika izany.

Fambara izao, hoy ny mpanara-baovao maro fa dia antomotra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Mahavelom-bolo ireo mpanohana azy ny fahatongan’ny amiraly Ratsiraka ny alakamisy lasa teo. Vao mainka nampitombo ny fanantenan’izy ireo izao fahatongavan’i Tojo Ravalomanana, zanany, sy Randrianarisoa Guy Rivoniaina izao. Ary dia horaisin’ny zanak’i Dada ho fanomezana krismasy, ho famonjena amin’izao krizy mihatra any am-bilany izao, izany fahatongavany an-tanindrazana izany, izay tafiditra anatin’ny fampiharana ny tondrozotra rahateo. Andrandrain’ny maro ihany koa etsy andanin’izany ny famoahana ireo gadra politika, na sivily na miaramila sy ny hamohana ireo haino aman-jery rehetra nakaton’ny FAT noho ny antony politika, hisian’ny fitoniana ara-tsosialy sy ara-politika amin’izay.

Jean D.

Sary : Randrianarisoa Guy Rivoniaina (anoloana) sy i Tojo Ravalomanana (misolomaso) nivoaka ny faritry ny seranana teny Ivato omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT