Politique

Tondrozotra Tsy hisy andininy hodinganina eo !


  • Talata 03 Jolay 2012

Nanao rodobe niaraka tamin’ny sorabaventy teny amin’ny birao fifandraisan’ny SADC eny amin’ny “Village des jeux” Ankorondrano ny vehivavy ankolafy Ravalomanana omaly.

 Nanatitra an-tanana ny taratasy mirakitra ny fitakian’izy ireo ny hahatanterahana haingana, eto Madagasikara, ny fihaonana ifanaovan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina izy ireo. Ao koa ny hampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, mamela ny filoha Ravalomanana hody tsy misy fepetra an-tanindrazana. Natolotra ampahibemaso teo ivelan’ny birao ny taratasy. Nandray an-tanana azy Atoa Sandile Schalke, amin’ny anaran’ny SADC, ary nampanantena fa hampita izany any amin’ny SADC foibe. Nandritra ny fihaonana no nitondran’ity farany fanazavana fa ny fampiharana ny tondrozotra ihany no hitondra an’i Madagasikara sy ny Malagasy any amin’ny filaminana sy ny fitoniana politika.

Nanamafy koa i Sandile Schalke fa tsy hisy andininy hodinganina na iray aza amin’ny tondrozotra, fa mihatra manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatrany amin’ny faha-45. Nanambara i Sandile Schalke fa hisy ny fihaonana eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Rehefa izay dia niangavy fiaraha-miasa amin’ireto solontena tonga teny Ankorondrano omaly ireto ny tenany, mba hanaraka sy hanaiky izay tenin’ny lehiben’ny ankolafy misy azy araka izay tapaka amin’izay fihaonana izay. Naharitra ora iray latsaka teo ny hetsika teo Ankorondrano io. Taorian’izay dia nanao diabe niaraka tamin’ny sorabaventy niverina tao an-kianjan’ny Magro Behoririka ireto vehivavy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana Antananarivo Renivohitra ireto. Nanao tatitr’ity fihaonana tamin’ny solontenan’ny SADC teny Ankorondrano ity tamin’ireo mpiara-mitolona ao an-kianja izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT