Politique

Tondrozotra Raharahan’ny ankolafy roa sisa


  • Alarobia 07 Martsa 2012

Rehefa natao ny fandinihana ny zava-misy tato ho ato izay, dia hita fa ankolafy roa ihany sisa, dia ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina no mbola manaraka sy mampihatra ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011.

 Ireo ankolafy roa ireo ihany hatreto aloha, no saro-piaro ary seriny amin’ny fampiharana an’io tondrozotra eken’ny sehatra iraisam-pirenena io. Ny ankolafy Ratsiraka moa dia efa tsy nanaiky an’io ary tsy nanasonia, resaka fikarakarana fihaonana an-tampony iray vaovao mihitsy no hitan’ny amiraly Ratsiraka fa vahaolana. Ny ankolafy Zafy indray dia efa mazava fa tsy manaiky ny maha filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina ary nilaza fa tsy mahavaha ny krizy intsony ny tondrozotra, ka dia niroso tamin’ny fanaovana ny Diniky ny samy Malagasy, handrafetana sori-dalana vaovao.

Hentitra ny profesora Zafy Albert raha nilaza fa tsy nanome alalana, olona na dia iray aza hiditra ao amin’ny governemanta sy ny Parlemanta. Midika izany fa tsy olon’ny ankolafy Zafy intsony ireo mbola nijanona amin’ny toerana maha minisitra azy, ary dia tsy manana solontena anatin’ny rafitra tetezamita izany ity ankolafy ity. Inona moa izany fa dia niverina tany amin’ny fiandohan’ny olana ara-politika ny zava-drehetra ary dia ny fifanoheran’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina ihany no zava-misy, koa tsy maintsy mihaona sy mifanazava ary miresaka tsara aloha ny filohan’ireo ankolafy roa ireo, vao mety ho hita ny vahaolana amin’izao krizy izao. Ny mpandinika ny raharaham-pirenena koa dia mahatakatra tsara fa amin’ny ankilany i Andry Rajoelina dia tohanan’ny Frantsay sy ny COI ary ny OIF, ary amin’ny andaniny kosa i Marc Ravalomanana dia tohanan’ireo firenena matanjaka, toy ny Amerikanina, ny Alemana, ny Vondrona eoropeanina, eo koa ireo mpamatsy vola mahazatra ary ireo orinasa goavana tandrefana maro, ankoatry ny an’ny Frantsay. Tsy vahaolana mihitsy ny hifanoheran’ireo hery roa ireo, fa tena mety hanapotika ny firenena. Ny fifampiresahana no vahaolana ary na dia sarotra aza iny lalana iny, amin’ny fampiharana ny tondrozotra, dia tsy misy tsy vitan’ny resaka rehefa samy manana finiavana ny roa tonta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT