Politique

Tondrozotra – « Pacte de responsabilité » Mbola manan-kery ve ?


  • Zoma 03 Jona 2016

Marisarisa, feno disadisa ny fiainam-pirenena. Mibaribary izany hatrany an-tampon’ny fitondrana ary miitatra eny amin’ny fiarahamonina.

 

 Efa niainga teny Tsimbazaza ny fikasana handrava ny governemanta Ravelonarivo tamin’ny alalan’ny “motion de censure” fa tsy tafavoaka teo amin’ny latsa-bato miafina nataon’ny solombavambahoaka. Efa niseho teny koa ny fikasana hanala amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny “motion de déchéance” fa ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no nanavotra azy, ka nandroso ny tokony hanaovana “pacte de responsabilité” hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, tsy hifanonganan’ny samy andrimpanjakana. Mijanona ho an-tsoratra fotsiny anefa io “pacte de responsabilité” io fa tsy misy mpiraharaha. Miitatra eny amin’ny Antenimierandoholona ny raharaha. Enjehin’ny fitsarana ny Loholona Lylison René de Rolland. Nandefa taratasy any amin’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona mangataka ny hanesorana ny zo tsy azo enjehina ananan’ity senatera ity, taorian’ny fanehoan-keviny manelingelina ny fitondrana Rajaonarimampianina. Mandalo fifidianana moa io, ka mety tsy hanano sarotra ny fanatanterahana izany satria maro an’isa ao amin’ny Antenimierandoholona ny senatera avy amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana HVM. Ety ivelan’ny fitondrana indray, manambana ny hanakatona ny radio isany M3FM sy Viva Radio Mahajanga ny fanjakana fa manelingelina ny onjampeo ampiasain’ny ASECNA amin’ny fandrindrana ny sidin’ny fiaramanidina ny azy ireo. Radio efa nisy 17 taona sy 5 taona tao Mahajanga anefa ireo. Mifampitana ihany koa ny fanjakana sy i Marc Ravalomanana amin’ny fisakanan’itsy voalohany tsy hisokafan’ny orinasany TIKO, toy izany koa ny haino aman-jeriny MBS. Mazava anefa ny voasoratra ao amin’ny Tondrozotra izay efa lasa lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ny hanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy fanehoan-kevitra. Ny hamelana malalaka an’i Marc Ravalomanana, handray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Mbola manan-kery ve ny Tondrozotra sy ny “Pacte de responsabilité” ? Midehaka ho mandala ny Fanjakana tan-dalàna anefa ity fitondrana ity. Tsy nisy mihitsy ny repoblika faha-4 sy ny filoha Rajaonarimampianina raha tsy nisy ny tondrozotra nahafahana niroso tsimoramora tamin’ny fifidianana neken’ny rehetra teto an-toerana sy tany ivelany !


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT