Politique

Tondrozotra nasiam-panitsiana Tsy olona sambotsamborina no hanitsy azy


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Marobe ny milaza ho mpanelanelana fa ny tsy miandany ihany no ilaina, hoy Rasoaniaina Malalatiana tao amin’ny kianjan’i Magro omaly.

 “Sandton”, hoy izy, no tapak’ireo filoham-pirenena ao amin’ny SADC ka “tsy olona sambotsamborina etsy sy eroa no hanitsy azy”. Nitondra loza ilay revolisionina volomboasary dia ny mosary, fampijaliana, fanonganam-panjakana, fahaverezana asa, manginy fotsiny ny fidangan’ny vidim-piainana… ka soloy revolisionina mondialista amin’izay, hoy ihany i Malalatiana.

“Ho sanatria raha ny mpanelanelana iraisam-pirenena no hanamasina ny mpanongam-panjakana”, hoy izy. “Inona no vokatr’ilay ultimatum, tsy loza ve ?”, hoy ny fanontaniana napetraky ny Depiote Rodin Rakotomanjato. Nampiany fa “ilay mpianatra indray no mandrahona mpampianatra”. Misarangotra amin’ny zavatra azo sarongotina ny FAT, hoy indray i Camille Mektoub. Diso ilay fandraisantsika ilay «amendée», hoy izy. Nasiana fanovana ilay tondrozotra fa tsy nasiana fanitsiana. Zaitra tena tsara ilay Sandton ary zaitra ratsy rafitra no nataon’i Salomao. Ity farany anefa no nodinihan’ny Raiamandreny Mijoro saingy tsy neken’ny V6.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT