Politique

Tondrozotra Najabak’i Salomao ny FAT


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Niteraka adihevitra izay nifandritaritana hatramin’ny 17 jona 2011 no ho mankaty ny amin’ilay fanitsiana natao tamin’ny sori-dalana heverina hitantanana ny tetezamita.

 Mazava ankehitriny ny resaka fa diso ary fandaniam-potoana sy fampisavorovoroana ny sain’ny Malagasy fotsiny ilay taratasy nambara fa avy amin’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao, tamin’ny 17 jona mirakitra azy io. Io taratasy io anefa no itompoan’ny FAT teny tanteraka miaraka amin’ireo vondrona valo nanao rangopohy teny Ivato ary dradrainy fa hosoniavina rahampitso zoma 16 septambra. Vaky bantsilana omaly, nandritra ny nandraisan’ny ekipa teknikan’ny Troika ireo vondron-kery misy eto amin’ny firenena fa diso ny fanitsiana nataon’ny Dr Salomao satria dia mivaona tanteraka tamin’ny fanapahan-kevitr’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC izay nivory tao Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona 2011. Fantatra fa ny mpitarika ny delegasion’ity ekipa teknika ity no nampahalala fa dia efa niaiky io fahadisoany io teo anatrehan’ny Troika ingahy Salomao, ary tsapany koa fa niteraka fisavorovoroana teto Madagasikara izany.

Ny loharanom-baovao hafa no milaza fa olon-kafa tao anatin’ny ekipa mpanelanelana nirahina matetika teto Madagasikara no nandrafitra ilay fanitsiana fa dia nanao sonia fotsiny ihany ingahy Salomao, izay midika fa nanaiky. Ny lehibeny izay ny Troika mihitsy ankehitriny no milaza fa diso no nataon’ingahy Sekretera mpanatanteraky ny SADC. Mazava izao ny resaka fa niantehitra tamin’ny hazo boboka ny FAT sy ireo vondrona politika mpanohana azy, miaraka tamin’ny tafika. Ny fanontaniana mipetraka eto dia ny hoe, inona àry izany no fanapahan-kevitra horaisin’ireto farany manoloana izany ? Izy ireo izay nilokaloka imasom-bahoaka sy tamin’ny haino aman-jery fa tsy mahalala afa tsy ny sori-dalana nitondran’i Salomao fanitsiana tamin’ny 17 jona, ary io no hatao sonia. Tsy eken’ny Troika anefa io satria nandika vilana ingahy Salomao, fa ny voarakitra ao dia mody tsy misy fepetra ireto sesitany politika rehetra, anisany ny filoha Marc Ravalomanana. Vaky ambatolampy koa izany izao ny fitaka sy fampisavorovoroana nataon’ny iraka notarihin’ny Dr Leonardo Simao. Raha tokony ho nanarina io hadisoana nataon’i Salomao io izy ireo tamin’ny dia in-droa miantoana nontontosainy teto taorian’io 17 jona 2011 io dia vao mainka nanampy trotraka, ka nampijabaka ny FAT hilaza fa hiroso amin’ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana ny zoma 16 septambra 2011, eo anelanelan’ny amin’ny efatra ka hatramin’ny enina ora hariva, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT