Politique

Tondrozotra “Hosoniavina amin’ny talata”, hoy Raharinaivo


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Nampivory ireo ekipany tao amin’ny Le Bateau Ivre Toamasina ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Raharinaivo Andrianatoandro ny zoma 02 septambra fiafaran’ny tolakandro

 Nambarany fa “anisan’ireo nanao rangopohy ilay tondrozotra novolavolain’ny Dr Leonardo Simao sy nasiam-panovana araka ny fanazavana nataon’ny Dr Salomao, ny elatra TIM tarihiko, koa vonona izahay hanao sonia izany araka ny antso nataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT farany teo, entina hamaranana ny krizy Malagasy ity”. Raha ny fandaharam-potoana, hoy hatrany Raharinaivo dia “ny talata na alarobia izao no hanaovana ilay sonia ny tondrozotra, ka aorian’izay no mandinika ny famotsoran-keloka izahay Parlemantan’ny tetezamita”. Nolazainy teo anivon’ireo mpiara-dia taminy koa fa “vonona ny handrombaka fitondrana noho izany hiatrika ireo fifidianana rehetra hitranga eto isika TIM miaraka amiko. Isika izao no manana ny taratasy ara-dalàna ara-panjakana taorian’ny fitsoahan’i Marc Ravalomanana”.

Raha mikasika ny famotsoran-keloka, dia nolazainy hatrany fa “maka ny hevitra avy aty aminareo ny tenako izao amin’ireo fepetra hapetraka ho an’ny olona tokony homena izany; raha aminay dia ireo nangalatra vola amina miliara sy nanodinkodina volam-bahoaka an-jatony tapitrisa ary ireo namono ny Malagasy, tsy tokony homena izany mihitsy, nefa miankina amin’ny hevitry ny vahoaka izay soloinay tena na olom-boatendry aza izahay parlemanta no holaniana atsy ho atsy”. Ny mahakasika ny fodian’ny filoha Ravalomanana kosa, dia nolazainy fa “afaka mody ny tenany, nefa mila miaiky ny heloka nataony ary miakatra fitsarana, izay vao azo omena izany famotsoran-keloka izany. Ireo voarohirohy ara-pitsarana koa dia tokony hanao izany vao azo omena izany famotsoran-keloka izany”. Tsy nambarany kosa ny momba ny fanenjehana azy sy nitazonana am-ponja azy tamin’ireny resaka baomba tamin’ny 2009 ireny, nandritra ny filazany io teniny nataony io, nefa mbola manana antontan-taratasin’ady maro momba izany ny tenany eo anivon’ny fitsarana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT