Politique

Tondrozotra hafakely Gadra politika no nandrandraina, ireo jiolahy indray no navotsotra


  • Talata 20 Desambra 2011

Ny gadra politika tsy tafavoaka ny fonja, ny jiolahy tokony hampidirina am-ponja tsy tafiditra.

 Ela ny ela, tsy mbola nisy toy ity. Tondrozotra hafakely indray ity, raha ilay voasonia teny Ivato tamin’ny 17 septambra no nandrasana ! Vokatry ny disadisa eo amin’ny mpitsara sy ny polisy, taorian’ny namonoan’ny polisy mpitsara iray tany Toliara ny 9 desambra teo no antony. Re omaly fa nisy ihany ny teny midina tonga teny amin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny fitsarana, mba hifandamina handraisana ireo antontan-taratasin’ady saingy naneho firaisankina ny samy mpitsara, ary dia nikatona ny fitsarana omaly.

Tetsy ankilany, araka ny efa nolazain'ireo zandary sy polisy mpanao fanadihadiana (OPJ) ny alahady dia navotsotr’izy ireo tokoa ny ampahany tamin'ireo olona tokony ho natolotra ny Fitsarana omaly, rehefa tsy nisokatra ny varavaran'ny Fitsarana. Manodidina ny 700 ny isan'ireo olona voampanga manerana ny faritanin'Antananarivo tokony hatolotra fitsarana, satria efa dila ny fe-potoana voatondron’ny lalàna ahafahana mitazona azy ireo. Ny 163 tamin'ireo no navotsotra omaly, izay samy voarohirohy noho ny ady heloka tsotra.

Milaza kosa ireo zandary sy polisy fa raha avotsotra avokoa ireo 600 mahery mbola tazonin'izy ireo dia tsy voatandro intsony ny filaminana ato anatin'ny faritanin'Antananarivo. Olona voarohirohy tamin'ny vono olona sy fanafihana mitam-basy mantsy ireo olona ireo. Na izany na tsy izany aloha dia tsy ara-dalàna ny mbola hitazonan’ny zandary sy polisy azy ireo, mihoatra ny fe-potoana voatondron’ny lalàna, satria izay voasoratra dia voasoratra. Anio dia hisy ny fampisehoana ataon'ny zandary eny Fiadanana mikasika ireo fomba fitazonana olona voarohirohy noho ny heloka bevava.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT