Ny faran`ny herinandro lasa teo dia nampivory ireo tompon’andraiki-panjakana tany amin`ny faritra DIANA ny praiminisitra Ntsay Christian.
Tsy mahavita araka ny tokony ho izy ny asany ireo tompon’andraikitra, hoy izy. Nanao “rappel à l`ordre” na famerenana amin`ny laoniny ny fomba fiasa ny praiminisitra. Nambarany fa fandaniam-potoana no ataon`ireo tompon’andraiki-panjakana sasany. TMisy ireo tsy mandray andraikitra amin`ny fotoana ilana azy, indrindra ny fanatanterahana velirano izay tokony hiantraika amin`ny vahoaka. Nanome toromarika ny tenany hoe “aoka izay ny mihanahana fa mila asa mivaingana ny olona”. Misy ny manao tatitra manoloana ny zava-misy fotsiny fa tsy mandray andraikitra. Mitarika amina famakafakana samihafa izany. Tena sitrapon`izy ireny ve no mihanahana ? Ny fitsinjaram-pahefana ve araka tokony ho izy tokoa ka ahafahana mandray andraikitra avy hatrany ? Kolontsaina tahaka ny ahoana ny napetraka eo amin`ny fitantanana asam-panjakana teto amin`ny firenena ? Mahaleotena amin`izay andraikitra amin`ny tokony hisorohany ve ny eny ifotony ? Somary nahasadaikatra ihany mantsy ny famerenana amin`ny laoniny nataon`ny praiminisitra iny teo amin`ireo mpanara-baovao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.