Nosavain’ny mpitandro ny filaminana misaron-tava sy mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ny trano fonenan’Atoa Frank le Grand ilay mpandraharaha frantsay mpitantana ny hotely le Rossini etsy Isoraka omaly nanomboka tamin’ny 6 ora maraina.
Ny trano fonenany eny Ambatomaro io nosavaina io ary naharitra ora maromaro izany. Tsy tao an-trano mantsy ny tompon-trano fa ramatoa vadiny sy ny mpisolovava azy sy ny vadiny ary ireo namany akaiky no nanatrika ny fisavana. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava dia voahaja ny zon’ny izy ireo nandritra ny fisavana tsy nahazoana fanazavana kosa ny anton’izao fisavana izao. Tsy fantatra ihany koa na misy fifandraisany amin’ny fisavana roa nisy teo aloha na tsia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.