Solontenan’ny tafika (minisitry ny foloalindahy sy ny Cemgam), solontenan’ny zandary (SEG sy ComGN) ary solontenan’ny polisy (minisitra sy ny DG).
Olona enina teo anivon’ireo vondrona telo ireo no nanazava ny heviny tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro teny amin’ny ministeran’ny foloalindahy teny Ampahibe. Raha aravona ny resaka dia fankaherezana sy fankasitrahana ny SADC amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy no tena votoatin-kevitr’ity fihaonana tamin’ny haino aman-jery ity. «Mirary raha mirary fa ireo vahaolana na fanapahan-kevitra horaisina amin’ny fivoahana amin’ny krizy dia tokony ho loharanom-pitoniana sy maharitra ho an’ny Malagasy mba hahafahana miala sy misoroka amin’ny endrika herisetra mety hitarika fikorontanana... Miandrandra ihany koa fa ny SADC dia tsy hanao ambanin-javatra ireo ahiahy izay efa nohamafisin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana hatramin’izay» raha ny votoatin’ny fanazavan-kevitra omaly ihany.
Fa raha nanontaniana ny momba ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy Lucien dia nanambara fa tsy mbola tokony ho amin’izao vanim-potoana izao aloha no hanatanterahana an’izany. Raha adika tsotsotra ny hevitr’ireto tomponandraikitry ny filaminana ireto dia mazava fa ny lalan’ny SADC ihany no tokony harahina amin’ny famahana ny krizy. Raha entina lavidavitra izany dia tokony hitsipaka izay mety sonia hataon’ny FAT, arak’izay efa nambarany fa raha tsy misy vahaolana ny SADC dia horaisin’izy ireo ny andraikitra. Izay andraikitra horaisina sy izay taratasy hosoniavina anefa dia tsy hita mazava hoe inona ary aiza...
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.