Politique

Tombontsoa amin’ny frankofonia Tsy ampy ny fanazavana


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

Na dia nanao izay ho afany tetsy amin’ny Mon gouter Andrefan’Ambohijanahary aza ny mpanara-maso momba ny tanora no sady filohan’ny antenimieram-pirenena sy depiote avy any Mahajanga teo aloha, Soalahy Tsaratsiry,

dia sahirana ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana namantatra ny tena votoatin’ny tombontsoa tian’ity olom-panjakana teo aloha ity holazaina. Aoka ianareo ray aman-dreny, hoy ny tenany, tsy handrebireby ny tanora ka hilaza fa tsy misy tombontsoa ho antsika izao fihaonamben’ny frankofonia raisina eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tombontsoa ao anatin’izy ity, hoy izy, dia firaisankina, fifanakalozana ary misy eo amin’ny lafiny toekarena koa dia famoronana asa. Anisan’ny nahitana izany resaka famoronana asa izany, hoy izy, izao ny fifanarahana 22 nifanaovana tamin’ny Maraokanina. Tsy nisy moa ny ohatra mazava nomen’ity olom-panjakana teo aloha ity mikasika ireo lafin-javatra ireo fa dia midadasika be tahaka izay fotsiny no nilazany azy.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT