Politique

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Nitarika fivoriana teny Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, mahakasika ny tomban’ezaka vita amin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana.

 Nandray anjara tamin’izany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjarampahefana, ny CENI, ny Fiarahamonim-pirenena izay miara-miasa amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahana ny fitsarana mitety vohitra, ary ny solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka anivon’ny Firenena Mikambana. Nojerena ny fomba hanafainganana ny asan’ny distrika hanatrarana ny isa nokendrena. “Tanjona ny hahatrarana ny 10 tapitrisa na maherin’izay amin’ny mpifidy ho voasoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny Praiminisitra. Mpifidy 9 500 000 no efa voasoratra ary mbola mitohy ny fitsarana mitety vohitra any anivon’ny distrika samihafa, ka heverina fa hiakatra io isa io atsy ho atsy. Nohamafisiny koa fa maimaimpoana tsy andoavam-bola ny fanaovana ny fitsarana mitety vohitra mandritra ny fe-potoana izay hifarana ny 02 febroary izao”. Marihina etoana fa ho an’ny olona ao anatin’ny fitsarana mitety vohitra dia tsy misy vola aloa amin’izay taratasy rehetra ilaina anaovana izany manomboka amin’ny taratasy fanamarinam-ponenana hatrany amin’ny kara-panondrom-pirenena. Ho an’ireo olona efa voasoratra ao anatin’ny sora-piankohonana, izay manao kara-panondrom-pirenena kosa dia mbola mandoa 200 ariary. Efa nomena toromarika manokana araka izany ny distrika 6 eto Antananarivo fa tsy misy mandoa 5000 ariary ny olona manao kara-panondrom-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT