Tomban’ny mpanara-baovao politika

> Ny kandidŕ Rabetsaroana Sylvain ho akaiky kokoa ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 05 Septambra 2013


Mandeha ny tombatombana, hoan’ny mpanara-baovao politika, eo am-piandrasana ny ho valin’ny dian’ireo delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana  lasa any Afrika Atsimo fa ho safidy manadala no hahazo ny mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha sanatria ka tsy ho eken’ny CES intsony izay kandidà ho atolony manaraka eo. Manana tombony hahazo kokoa ny fon’ny Zanak’i Dada sy ireo mpiara-dia aminy raha mihoatra ireo kandidà 32 hafa ny kandidà Rabetsaroana Sylvain noho izy manana fotokevitra mifanakaiky kokoa amin’ny an’i Marc Ravalomanana eo amin’ny fahasarotam-piaro amin’ny fitandroana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiandrinam-bahoaka. Efa noporofoiny tamin’ny fihetsika nivantana izany, raha ny fanazavana nomen’ny mpanara-baovao politika, tamin’ny fiarovana ny vahoaka madinika teny Andakana raha nisy ny fihetsika mitory fanitsakitsahana sy fanambaniana nataon’ireo vahiny mpilalao Golf niaraka taminy. Efa notsiahivintsika teo amin’ny Tia Tanindrazana ihany koa ny fanoherana ny fihetsika nataon’ny andriambavilanitra solontena maharitry ny firenena mikambana eto amintsika izay nanivaiva ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny FFKM (volana jona 2013 tany Ambatondrazaka).

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT