Afaka 2 andro dia hankalaza ny faha-72 taona nisian’ny “tolom-panafahana” nitranga ny 29 martsa 1947 isika izay nitakiana fahaleovantenan’ny firenena Malagasy tamin’izany fotoana.
"Adidy ny mitadidy", hoy ny mpahay tantara, Hemerson Andrianetrazafy, satria ny traikefa norantovina omaly no hanoritana ny ho avy. Nisy ra latsaka vao nihanoka fahaleovantena isika. Efa mikorisa any amin'ny fanjanahana hafa indray isika na ara-politika (Fratsay) na ara-toekarena (sinoa sy karana), hoy izy. Nisy nofy ny fahafahana nifoha taorian'ny ady lehibe faharoa. Nandalo tamin'izany daholo ny tany voazanaka. Tsy fantatro ny fahazoanareo azy fa ny Frantsay niezaka ny hanapoaka korontana hifehezana ny hetsika ara-politika mitaky fiatrehana andraikitra nataon'ny MDRM. Talohan'ny martsa 1947 dia efa nikononkonona nanao fihetsiketsehana manoloana ny lapan'ny “Gouvernorat” tao Ambohitsorohitra ry zareo, hoy hatrany ity mpahay tantara ity. Etsy an-danin'izay, nisy ny mpihetsika mahery vaika nokotrehin-dry Razafindrabe Ernest sy ry Monja Jaona tao anatin'ny fikambanana miafina JINY sy PANAMA. Tsy mifanohitra ireo fa aza atao fijery mitanila ny tantara, hoy hatrany izy. Nisy ny tia tanindrazana ary tena nisorona ny ainy. Ny raibeko izao voasambo-belona tany Anosibe An'ala. Nigadra an-taonany teny Antanimora taorian'ny 1948. Nisy ny nihasohaso tamin'ny vazaha fa nisy koa ny paikady nanararaotan'ny vazaha ny hetsika sy ny fironana mba hamotehana azy, hoy hatrany i Hemerson Andrianetrazafy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.