Mila ovaina ny fomba fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Frantsa ary mila hazavaina ihany koa ny antony tsy hamerenana amin’ny malagasy ireo nosy manodidina hatramin’izao
. Ireo no votoatin’ny taratasy halefan’ilay vondrona politika tolona fanorenana ifotony na TFI izay omeny ny filoha frantsay, François Hollande, rehefa tonga eto. Manomboka anio, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amina fivoriana iray nataony ho fampahafantarana ny fijoroan’ny TFI ara-panjakana tetsy amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana omaly dia hahazo izany ny ambasadaoro frantsay satria tsy fantatra ny fotoana tena higadonan’ny filoha frantsay eto Madagasikara na anio na rahampitso, hoy izy ireo, ary hahazo dika mitovy ihany koa ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina. Tsy maintsy hirosoana, hoy ity vondrona ity, ny fanorenana ifotony miainga avy any amin’ny fokonolona miakatra any amin’ny faratampony. Tsy manaiky ny fiatoana politika izay asain’ny fitondrana atao amin’izao fotoana izao ihany koa izahay satria politika avo lenta ny frankofonia ary mifono fihatsarambelatsihy fa tsy tena hitondra voka-tsoa ho an’ity firenena ity. Ianao asaina manao fiatoana politika, hoy izy ireo, kanefa ry zareo manao politika avo lenta ka tsy ekenay.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.